Teny iditra mandevona (levona)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manafongana, manafoana: Mandevona ny zavatra rehetra manodidina ny ipoahany ny baomba atomika
Manimba: Aza mandevona ny zavatr' olona
Mandrava, mandringana, mamongatra: Jiolahy no nandevona ny fananany rehetra teto
Mampanjary ho fofona, etona na rano: Mandevona ny rira ny rano
Mampanjary ny sakafo hanina ho za vatra mahavelona ny tena: Ny vavony no mandevona ny sakafo hanintsika [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To consume, to destroy; to dissolve, to digest [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Détruire, anéantir; dissoudre, digérer [1.8]
Ohatra 
1Manatombo an' isa lavitra anefa ireto vaovao ary mihamivelatra hatrany mandevona iretsy tranainy ao anatiny. [2.606]
2Fa raha mahery fahatelo, mahery fanjaka: fa ny havana ihany no manavangavana, ary ny fanahin'andevo no mandevona. [2.298]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mandevona
Ny lasa : nandevona
Ny hoavy : handevona
Filaza mandidy : mandevòna

Teny iditra mandevòna (levona)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandevona [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20