Teny iditra | mandroso (roso) | ||||||||
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao | ||||||||
Fanazavàna teny malagasy | Manolotra zavatra ho an' olona ka mametraka izany eo anoloany: Mandroso vary ho an' ny vahiny Manatona akaikikaiky kokoa: Mandrosoa fa aza mijajirika eo am-baravarana eo fotsiny Mitombo fahaizana: Mandroso tsara ny zanakao Mandeha tsara ka ahazoam-bola betsaka na misy tombony betsaka, mahomby: Mandroso ny fitaterana ankehitriny Lasa aloha fa tsy amin' ny toerana misy azy ihany: Nandroso haingana ny tafika Lasa nihoatra nankany amin' ny...; mitsopaka, manaoangady be lela: Mandroso lavitra dia tavitra anatin' ny ranomasina ny morontsiraka amin' itý toerana itý ~ Mandroso be loatra amin' ny taniko izany asanao izany Misondrotra, misandratra: Tsy nandroso voninahitra intsony ilay manamboninahitra [1.1] | ||||||||
Fanazavàna teny anglisy | To progress, to forge ahead; to put forward, to present; to enter a house [1.7] | ||||||||
Fanazavàna teny frantsay | Avancer, progresser; présenter une chose ou une idée; entrer dans une maison [1.8] | ||||||||
Ohatra | Andeha hiara-mandroso daholo isika hoy Randrianaivo, fa mandany andro foana izao.
[2.324] | ||||||||
Haiendriteny |
| ||||||||
Kamban-teny |
| ||||||||
Zanakanarana | |||||||||
Anaran-toerana |
| ||||||||
Ohabolana | Ohabolana misy io teny mandroso io | ||||||||
Teny iditra | Mandroso | ||||||||
Singan-teny | mandroso | ||||||||
Sokajin-teny | anarana (gazety) | ||||||||
Mpanoratra | |||||||||
Voambolana | Mpanonta printy, gazety | ||||||||
Tsanganana sy sary iray takila | Ny lohateny rehetra | ||||||||
Nohavaozina tamin' ny 2023/07/21 |