Teny iditra manendrikendrika (endrikendrika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Milaza ho nataon' ny hafa ny ratsy tsy nataony, manoso-potaka, manombotomboka: Zava-dratsy roa loha no ataon' ny mpanendrikendrika dia ny mandainga sy ny tsy tia namana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To slander, to make insinuations against [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Calomnier [1.3, 1.8]
 Accuser de faux [1.3]
 Médire par insinuation [1.8]
Ohatra 
1Aza fady, anaka, hoy Rafotsy, rehefa nahazo aina izy, aza manendrikendrika ny zanako amin' izay tsy fantany ianao. [2.895]
2Ny kely manetry ny lehibe kanefa tsy marina, manendrikendrika ny tsy ataon'ny lehibe, kely mandainga hanoso-dratsy ny lehibe, handoto ny lehibe [2.508]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manendrikendrika
Ny lasa : nanendrikendrika
Ny hoavy : hanendrikendrika
Filaza mandidy : manendrikendreha

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31