|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  manintsana
Fototeny  2 hintsana
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mandraraka amin' ny alalan' ny fanetsiketsehana: Manintsam-parasy eto io alika io fa roahy any
9 Manetsiketsika mba hifatratrakokoa ny zavatra afatra: Aza hadinoina ny manintsana ny famarana rehefa mividy vary
10 Manasivana: Manintsana fasika ny mpandalotra
11 Mandehandeha na mihazakazaka na mandihindihy rehefa avy mihinana mba hahalevona ny sakafo haingana
12 Mirara-dravina, miongo-bolo: Manintsana ny hazo sasany rehefa ririnina ~ Vorona efa nanintsana io [1.1]
Ohatra  13  sambatra kosa itony ambiaty
mahafolaka am-bozona ny taona
ka ririnina tsy mba manintsana
lohataona mamony ihany
ary fahavaratra manorobona
[2.131]
Fikambanana  14  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 3 misy ny teny hoe manintsana

Teny iditra (2/2) 15  manintsàna
Fototeny  16 hintsana
Sokajin-teny  17  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manintsana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra  18 manantsina, manintsana, manintsàna, 19 minantsana

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/19