Teny iditra |
mifandimby
(dimby)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Fanazavàna teny malagasy | Misesy mifanarakaraka: Efatra ny filoham-pirenena nifandimby teto hatramin' izay Mifampisolo: Nifandimby izy mirahalahy nitondra ilay entana ~ Nifandimby teny ny andro sy ny alinaa Enti-milaza olona roa na maro mampiasa zavatra tokana mifamadibadika ka mbetika ny iray, mbetika kosa ny iray hafa: Taloha nifandimby sotro ny mpivady vao teo amin' ny sakafom-pampakarana [1.1]
|
| Mifampisolo toerana [1.13]
|
Fanazavàna teny frantsay | Se succéder, se remplacer [1.13]
|
Ohatra |
1 | Ny andro sy ny alina mifandimby hitondra fanadinoana ho anao
[2.471]
|
2 | Nifandimby nandahatra koa ireo vahiny telo sisa.
[2.472]
|
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
mifandimby |
Ny lasa : |
nifandimby |
Ny hoavy : |
hifandimby |
Filaza mandidy : |
mifandimbiasa |
|
Ohabolana |
|