|
|
|
|

Teny iditra 1  mifangaro
Fototeny  2 fangaro
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mitambatra ka tonga sarotra avahana: Nifangaro ny ondrintsika
9 Mitambatra ho iray: Tsy mety mifangaro amin' ny rano ny menaka
10 Miharo, miaraka amin' ny.,.: Aza mifangaro amin' ireo ankizy mpitabataba ireo ire
11 Miaraka misafotofoto, mifanosona: Mifangaro ao dahoio ny lambanareo ka samia maka ny azy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12 to be mixed together [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  13 se mélanger, être mélangés [1.8]
Ohatra  14  Mangatsiaka sy vao latsa-panala ny maraina amin' izay ary mifangaro tsy misy anavahana azy intsony ny setroky ny mpahandro hani-masaka sy ny zavona mamirifiry. [2.470#38]
15  Nangina tampoka ny tafondro marovava, fa dridridridry sy kiakiaka mifangaro teny ratsy no nisolo azy. [2.472#235]
Fikambanana  16  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 5 misy ny teny hoe mifangaro

Fivaditsoratra  mifangaro, 17 mifarango, 18 mifongara

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/20