|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  mihodina
Fototeny  2 hodina
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mitsimbadika eo ihany ka ny ambany tonga ambony na ny tany an-kavia lasa any an-kavanana ary dia mifandimby hatrany toy izany: Mihodina ny tany
9 Mitodika mankany aoriana na ao an-daniny: Tsy ta hahita ahy izy ka nihodina
10 Tonga simba: Nihodina ity divay ity
11 Mivadika: Nihodina tamin' ny fanekena izy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12 to turn around; to revolve [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  13 tourner comme une roue; tourner sur soi [1.8]
Fikambanana  14  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 2 misy ny teny hoe mihodina
Ohabolana  15  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 16  mihodìna
Fototeny  17 hodina
Sokajin-teny  18  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mihodina [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra  mihodìna, mihodina

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/18