|
|
|
|

Teny iditra 1  mijaly
Fototeny  2 jaly
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Miaritra zavatra maharary mihatra aman' aina na zava-tsarotra manahirana: Mijaly mafy izy amin' io aretiny io
9 Miandry mafy: Nijaly mihitsy aho ambara-pahatonganao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  10 to suffer [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  11 souffrir [1.8]
Ohatra  12  Na dia mifonoka sy mijaly amin' ny aretina ao anaty lamba aza Rasoa, dia reny tsara ny tenin-janany. [2.470#131]
13  Ny ankabeazan' ny olona amin' izany toerana voalazako izany no anisan' ny mijaly amin' ny fitondran-janatany. [2.472#197]
Mpanahaka  14  fadiranovana, 15  Miaritra ny mafy mahatsiaro mangirifiry, 16  miferinaina, 17  mifia-dranomaso, 18  miritra aina, 19  mitoloko, 20  mitondra kitra, 21  mitondra ny mafy, 22  mitondra ny maizina, 23  mitondra ny tsy eran' ny aina, 24  mitondra rofy, 25  sendra ny mangidy tsy telina, 26  voan' ny aza manody
Ohabolana  27  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22