|
|
|
|

Teny iditra 1  mijery
Fototeny  2 jery
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 [Sihanaka] mihevitra [1.78]
9 Manatodika ny maso any amin' olona na zavatra iray mba hahita azy: Sady nijery ahy izy no niteny izany
10 Mitazana: Aza mandany andro mijery eo am-baravarankely eo ianao
11 Mitandrina: Nahoana no tsy mijery izay ataonao akory ianao
12 Mihevitra: Tsy mijery afatsy ny fahamendrehany aho, / Mikarakara: Rakoto ve hijery ny mahantra
13 Mahita ka tsy miraharaha, tsy milaza: Aza mijery arma an-tava
14 Misy hevitra iraisana: mitily, mitsikilo, mizaha taratra, manazangazana, manarangarana, mangarangarana, mitaratra, manompirana, mangala-pijery, manao jery vilana, manao very maso, mitsipalotra (ny maso), mitodika, miherika, mangarika, mandritika, mijery ambony, miandrandra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  15 to look at [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  16 regarder [1.8]
Ohatra  17  Misy fetra ny fahazakan' ny olona mijery na manao zava-doza. [2.472#246]
Tovy hevitra  18 milajery
Mpanahaka  19  manombana, 20  manopy maso, 21  mibandrina, 22  mibanjina, 23  mikandrana, 24  mitanjo, 25  Mitazana, 26  mitsirika, 27  mivandraka, 28  mivandravandra, 29  mivandrina
Fikambanana  30  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 6 misy ny teny how mijery
Ohabolana  31  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22