|
|
|
|

Teny iditra 1  misamboaravoara
Fototeny  2 samboaravoara
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
Fanazavàna teny malagasy  7 Mihetsika mahery ka mitambolimbolina, mitroatra izaitsizy, mitopatopa sy mivalombalona fatratra ka mitsamboamboatra: Nisamboaravoara aoka izany ny ranomasina androany
8 Mitroatran-katezerana, mihavatravatra: Nisamboaravoara tamin' ny mpianatra izy fa nisy nananihany azy tamin' izy ireo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9 to be turbulent, to rise in waves [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10 être agité, s'agiter en vagues [1.8]
Ohatra  11  tsy misy rivotra mitsoka fa tony dia tony ny habakabaka, nefa ny onja misamboaravoara, ary ny ampitso na afak' ampitso vao tonga ny tafiotra mahery arahin-dranonorana. [2.471#18]
Tovy hevitra  12 misamboara
Fikambanana  13  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe misamboaravoara

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22