Teny iditra misamboaravoara (samboaravoara (samboara))
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mihetsika mahery ka mitambolimbolina, mitroatra izaitsizy, mitopatopa sy mivalombalona fatratra ka mitsamboamboatra: Nisamboaravoara aoka izany ny ranomasina androany
Mitroatran-katezerana, mihavatravatra: Nisamboaravoara tamin' ny mpianatra izy fa nisy nananihany azy tamin' izy ireo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be turbulent, to rise in waves [1.7]
Fanazavàna teny frantsay être agité, s'agiter en vagues [1.8]
Ohatra tsy misy rivotra mitsoka fa tony dia tony ny habakabaka, nefa ny onja misamboaravoara, ary ny ampitso na afak' ampitso vao tonga ny tafiotra mahery arahin-dranonorana. [2.471]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : misamboaravoara
Ny lasa : nisamboaravoara
Ny hoavy : hisamboaravoara
Tovy hevitra misamboara
Kamban-teny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20