|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  misodika
Fototeny  2 sodika
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Manala ny tsiratsiraka na ny hoza-dravin' ny rofia: Misodika rofia
9 Manala ny fako kely madinika alohan' ny hitotoana vary: Misodika vary i Bozy
10 Manesotra ny menaka na ny hero-dronono mitsinkafona: Nisy nisodika ny herotra tamin' ity ronono ity
11 Mijerijery taratra alohan' ny hangalarana
12 Misonenika izaitsizy eo am-pandihizana: Loza raha hisodika io tovovavy io rehefa mandihy [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  13 séparer les fibres du rofia, écumer, écrémer, trier [1.3#615]
14 séparer les fibres, défibrer [1.196]
Ohatra  15  Ny herotra misodika amin' ny ronono, angonina ary kapohina, dia manome ny dibera. [2.332#]
Ohabolana  16  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 17  misodika
Fototeny  18 sodika
Sokajin-teny  19  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
20  Ny ankehitriny :
21  Ny lasa :
22  Ny hoavy :
23  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  24 Mikendry zavatra eny am-panidinana manodidina ny tena (vorona) [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  25 rôder, voltiger tout autour [1.3#615]
Ohatra  26  ny papango misodika ambony eny akaikin' ny rahona; [2.587#]
27  Hitsikitsika sy papango no hita misodika eny indraindray, manao ny akaniny eny antsefatsefaky ny harambato. [2.499#]

Fivaditsoratra  28 midosika, misodika, 29 somidika

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21