|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  misosa
Fototeny  2 sosa
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mizotra tsy miato: Nisosa ny fianarany ka tsy niato raha tsy tany amin' ny tanjon' ny bakalorea
9 Mandeha milamina tsy misy misakantsakana na manelingelina: Misosa ny fiainana raha misy vola, hoy ireo tsy mihevitra afa-tsy ny ara-nofo
10 Mikorisa amin-javatra malama: Nahahitsaka hoditr' akondro aho teo an-tokonana ka avy hatrany dia nisosa terỳ an-tokotany
11 Misononoka eo ambony rano: Nisosa ny lakana nitondra anay fa nitsoka malefaka ny rivotra [1.1]
Ohatra  12  misosa amboniny eny kosa ny zahatra andiany dimy aman' enina, mitondra hazo fisaka hamidy eny Isotry. [2.470#6]

Teny iditra (2/2) 13  misosà
Fototeny  14 sosa
Sokajin-teny  15  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao misosa [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra  16 masiso, 17 misaso, misosa, misosà, 18 mosasy, 19 samosy, Samosy

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/19