|
|
|
|

Teny iditra 1  mitoetra
Fototeny  2 toetra
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Monina, mipetraka: Mitoetra amin' ny trano mahafinaritra izy ~ Aiza ianareo no mitoetra?
9 Mipetraka: Aza mitoetra eo amin' ny vava rivotra eo?
10 Mijanona: Nitoetra herinandro tany Fianarantsoa izahay mirahalahy
11 Mitombina: Nitsanga-nitoetra Rakoto niandry ny zanany ho tonga. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12 to dwell; to rest; to sit [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  13 habiter, rester [1.8]
Ohatra  14  Tsy naharitra ela tao izy ireo, fa maro rahateo izy, ka nanempotsempotra ny marary, raha mitoetra ela. [2.324]
15  Ity avy amin' ny mpivaro-damba iray, zanaka ampielezana, mitoetra ao an-drenivohitra ao. [2.470#18]
Tovy hevitra  16 mitomoetra
Fikambanana  17  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 5 misy ny teny hoe mitoetra
Ohabolana  18  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22