|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  mitsikia
Fototeny  2 tsiky
Sokajin-teny  3  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mitsiky [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]
Fikambanana  4  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe mitsikia

Teny iditra (2/2) 5  Mitsikia!
Singan-teny  6 mitsikia
Sokajin-teny  7  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  8  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  9 Andriamanantena Georges
Lahatsiratra manontolo  10 
11  Mitsikia! Miràna endrika!
12  K'aza odiana re akory ny fanetoky ny fery
13  ao anatinao, ry foko! Pero aza ny fisento
14  tsy hipololotra intsony, ka ny masonao mijery
15  Hatanjaho tsy ho rendrika !

16  F'efa hatrany am-piandohana
17  no nazava taminao fa ny volana handalo
18  ary hanintsana ny felany aorian'ny famololony;
19  ny lohataona dia ho lasa… ny valiha hitsaha-kalo;
20  ary tahaka izany koa ny fitiavana natolony:
21  Tsiro manam-piafarana.

22  Ny fahendrena ve? Fantaro!
23  Minia mitsiky raha ory. Minia mifaly raha tomany.
24  Ny ranomaso atelomy na mangeja sy mandifotra
25  fa hanjary " perla " izy, toy ny fasika mavany
26  nokobonin-taona maro tao an-kibon'ito sifotra.
27  Ny toloko, atsaharo!

Fivaditsoratra  28 masikity, 29 masitiky, 30 misitaky, mitsikia, Mitsikia!

Nohavaozina tamin' ny 2026/10/22