Teny iditra mitsingina (tsingina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandray amin' ny loha rantsana, mikasika kely foana: Nananosarotra erỳ izy nitsingina ilay mosara, fa naloto, hono
Maka izay voafihina amin' ny loha rantsana, maka pitiny kely foana: Asio sira indroa mitsingina ity salady ity
Manendry kely foana amin' ny hanina; miangolangola erỳ rehefa mihinana ka zara raha maka kely amin' izay sakafo aroso eo anoloany (endrika verindroa no ampiasana azy matetika amin' ity hevitra ity): Mitsingintsingina Rasoa rehefa mihinana [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitsingina
Ny lasa : nitsingina
Ny hoavy : hitsingina
Filaza mandidy : mitsingìna

Teny iditra mitsingìna (tsingina)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mitsingina [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31