|
|
|
|

Teny iditra 1  mivadika
Fototeny  2 vadika
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mampiseho ny ilany na ny lafiny tsy mbola niseho: Efa nivadika ve ireo lamba mihahy ireo
9 Mifandiso ka ny lafy ratsiny indray no miseho fa tsy ny lafy tsarany: Loza fa nivadika ny akanjonao teny an-dalana
10 Manova ny tehezana atao ambany mandry indray: Efa afa-mivadika ny marary
11 Miova ho ratsy tsy araka ny nampoizina: Nivadika ny anao taty aoriana ka izaho nanao soc azy indray no nofofoiny. / Nivadika tampoka teo lahy ny andro
12 Mitsipaka: Ny mivadika ny teny natao no anisan' ny ratsy indrindra
13 Mihohoka ka ny ambony no lasa ambany: Nivadika ny lakana ka saika maty daholo ny mpandeha [1.1]
Mpanahaka  14  malady ofana, 15  manao tsimbadiboanampotsy, 16  manao tsimbadik' amponga, 17  mangala-belirano, 18  miodina, 19  miova fenitra, 20  miroa lela, 21  mitsoaka ny teny natao, 22  mitsoaka orimbato, 23  mitsoa-pahana, 24  mivadibadika toa lela may
Fikambanana  25  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 27 misy ny teny how mivadika
Ohabolana  26  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22