|
|
|
|

Teny iditra 1  mizaha
Fototeny  2 zaha
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mandeha mijery: Lasa nizaha hira gasy izy telo mianaka
9 Mitady, mikaroka zavatra: Tapak' andro maninjitra aho no nizaha ny solomasoko
10 Mitsapa: Mizaha toetra ny mpiasa matetika ny mpampiasa [1.1]
11 [Bezanozano] mijery [1.78]
12 [Sihanaka] mijery, mitazana, mitady [1.78]
Fanazavàna teny frantsay  13 Regarder, considérer, chercher; sonder [1.3]
Ohatra  14  ary indroa izy no mizaha ny zaza amy ny indrai-andro; [2.59#222]
15  Sady tsy mizaha hao no tsy lany andro manao volon' ny miaramila. [2.528#123]
16  Ary hoy Lord Palmerston, ento mizaha ny zavatra rehetra izy ry Mr Freeman. [2.366#194]
Fikambanana  17  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 5 misy ny teny hoe mizaha
Ohabolana  18  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  19 mihaza, mihazà, mizaha

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/19