|
|
|
|

Teny iditra1  Mpiandry omby
Singan-teny  2  mpiandry, omby
Sokajin-teny  3  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  4  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  5  Andriarimalala René
Lahatsiratra manontolo 
6  Injany re tsitapitapy
7  Any an-tendrombohitra any
8  Ny firefotry ny japy.

9  Rivorivo be mifioka !
10  Izay nandraraka an'izany?
11  Tovolahy mampiady sioka.

12  Mpiandry omby maro andiany
13  Mihosy ahitra efa hoto
14  Fa avy ny hariva hodiany.
15  Sady milalao no miasa,
16  Misakana omby tsy hifanoto;
17  Fa nivadika ny rasa…

18  Ka manenjana salaka
19  Ny vantobanto-jazalahy
20  Manao tolona sy daka.

21  Manatanja-tena izy
22  Ho mahery toa ombalahy
23  Fa efa maika tsy ho ankizy!

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/01