Teny iditra Ny Gazety ao Raha
Singan-teny gazety ; raha
Sokajin-teny anarana (gazety)
Zana-dohateny 
Mpanoratra 
Fanonta printy 
Voambolana 
Fanoritsoritana www.aoraha.com
Sombiny 
2012/07/28
"Lafo ny masonkarena eo amin’ny vidin’ny akora, ka izay no somary maha lafo kely ny vidiny", hoy Ramavoarisoa Georgette, mpivarotra vakana, etsy amin’ny tsenan’i Pochard. Ny hazo, ny taolana, ny voamboana, ny andramena, ny tandrok’omby, ny akorandriaka, ny voanio… dia samy akora azo anamboarana vakana avokoa. "Tsy manavaka fa natao ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ny vakana vita amin’ny akora malagasy", hoy ihany koa Andriam­bololonirina Hanitra, mpivarotra iray hafa. «Mahasarika olona maro ihany koa izy, noho izy tsy mba dia mifidy akanjo ampiarahana aminy loatra», raha ny fanamarihan’ireo mpivarotra ihany. Tsy vitsy ny andriambavilanitra mitondra azy hoentina amina lanonana mianjaika. Maro ihany koa anefa ny mividy azy hatao fitondra andavanandro fotsiny. Ao ihany koa ireo mitondra azy rehefa manao fitafiana somary gasigasy, amoahana ny maha malagasy. Endrika azo amoahana tsara azy ny lamaodiny ihany koa ny fampiarahana azy amin’ny vangovango, mitovy amin’ny akora nanamboarana azy. Ireo vakana vita amin’ny voamboana sy ny taolana no tena lafo indrindra amin’ireo.
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/15