Teny iditra ranona
Singan-teny ry ; anona
Sokajin-teny mpisolo anarana [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Ilazana olona tenenina izay tsy tsaroana eo no ho eo ny anarany: Andeha antsoy Ranona, ry Koto a ~ Asaivo mankaty Ranona
Lantsoana na anondroana olona itenenana, saingy fanaon' ny samy vehivavy na lehilahy sy vehivavy: Ranona ity koa mahasosotra ~ Aoka re, Ranona, fa mahaketraka izany zaoatra lazainao
Teny ifampiantsoan' ny samy vehivavy rehefa miresaka, na ilazany olona tsy tiana hotononina ny anarany na hadinony tsy tonga ao am-bavany: Tsy hitandRanona angaha ilay olona teto anikeheo? ~ Ranona atsy avaratra no nandrenesako an' izany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Mister So-and-so [1.2]
 What's-his-name [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Monsieur un tel [1.8]
Ohatra Tsy re intsony ny hoe marary ranona na ranona ao an-tanàna, fa izay maty sisa no re. [2.472]
Kamban-teny 
Tsipelina hafa 
Tsanganana sy sary iray takila ny mpisolo rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/12