|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  ririnina
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Fizaran-taona mangatsiaka, manarakaraka ny fararano, izay iririsan' ny fanala ny ravin-kazo ka mahatonga azy hihintsana: rakodrahona matetika ny lanitra ary mifafy ny erika arahindrivotra mamirifiry avy atsimo atsinanana; hatramin' ny volana jiona ka hatramin' ny aogositra no aharetan' ny ririnina. (Ny ririnina dia antsoina koa hoe: main-tany)
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] winter, the cold and dry season
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.8] l'hiver, la saison froide et sèche
Ohatra  6  natahorana hosovoka vao maraina ny hatsiaka noho ny fiandohan' ny ririnina. [2.470]
7  Ny ririnina nanaraka iny fahavoazana niraisana iny mantsy, nanorina trano biriky ngezabe ry zareo. [2.472]
Voambolana  8  Fotoana
9  Haitoetany: (amin' ny ankapobeny)
Haiendriteny 
10  Tsotra :
11  Tovonana :
Sampanteny 
12  Matoantenin' ny mpanao :
13  Anarana :
Tovy hevitra  14  main-tany
Mpanahaka  15  lohataona, fahavaratra, fararano
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Lohateny  28  Lohataona sy ririnina (Ratsifandrihamanana Clarisse)
29  Ririnina (Andrianjatovo Haëckel)
30  Ririnina ny andro
Ohabolana  31  Ohabolana misy io teny ririnina io

Teny iditra (2/2)32  Ririnina
Singan-teny  33  ririnina
Sokajin-teny  34  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  35  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  36  Andrianjatovo Haëckel
Lahatsoratra  37  Nankaiza ny tsiky, ny lanitra manga
38  No be sorisory sy maloka lava?
39  Somparan'ny rahona ka tsy mitranga
40  Ny fara-masoandro natao hanazava
41 
42  Nankaiza ny ravina, elon'ny hazo
43  Ny vony mivelatra, radon'ny saha?
44  Finaokan'ny rivotra fa efa malazo
45  Tsy ho hitan'ny mason'ny tia zahazaha
46 
47  Mangina ny feo mikotaba ao an'ony
48  Fitopa malefaka sy eri-mitaika
49  No reko mahalana, tony dia tony
50  Nankaiza ny riana mahery fiantraika?
51 
52  Ny tampon-tanety nahoana no ngazana?
53  Ny tendron-kavoana no mangadihady?
54  Mahaiza mandinika rehefa mitazana
55  Ny fotoa-mamanala efa tonga sahady
56 
57  Izany ka izany no tsy andrenesana
58  Ny vazon'ny vorona zatra mihira
59  Matahotra hatsiaka sy fahafatesana
60  Ka lasa mihataka arý an-dakira
61 
62  Izany ka izany no tsy ahitana
63  Aina marisika, vonon-kiasa
64  Ny andro kanefa dia mbola hafana
65  Ny hatsiakan-dririnina koa ho lasa

Fivaditsoratra  66  ririnina, Ririnina

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08