Teny iditra | 1 sampana |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 Ny rantsana madinika miray amin' ny vataben' ny hazo: Be sampana ity hazo ity. / Sampan-kazo 4 Rehefa mety ho fizarazaran-javatra mivoaka avy amin' ny foto-be: Amin' ireo rano avy any Ankaratra, ny sampana mianavaratra dia mivarina any Ikopa 5 Fizarazarana, antokon-javatra ao anatin' ny firaisam-be: Ny marika dia sampan' ny fianarana ambaratonga voalohany 6 Fikambanana kely izay mifandray amin' ny foibe, na iray fileovana aminy: Ny sampana atsy Ananona no mandeha indrindra amin' ny sampan' ny Fikambanan' ny Ray aman-drenin' ny mpianatra eto amin' ny faritany [1.1] 7 rantsana, karazana [1.13.mg#174] |
Fanazavàna teny anglisy |
8 a branch, a branching off; a branch group or organization [1.7] |
Fanazavàna teny frantsay |
9 Iray amin' ny fizaran' ny vatan-javamaniry: Tsara raha tapahina ny rantsana madinika rehetra amin' ny sampan' ny paiso mba hamoazany be. 10 Iray amin' ny fizarazarana ao anaty rafitra misy antanan-tohatra. 11 Lalam-piofanana eo amin' ny sehatry ny asa na ny fianarana. [1.60#907] 12 branche; branchement; filiale [1.8] 13 . Bifurcations d'une tige, surtout lorsqu'elles sont divariquées. Plus généralement : ramifications. D'où :
14 branche, genre, embranchement [1.13.fr#174] |
Ohatra |
15 Vao vita kelikely ny lalam-by Antananarivo-Toamasina, dia nasiany sampana avy ao Moramanga mankany amoron' Alaotra. [2.472] |
Voambolana |
16 Haizavamaniry 17 Fifandraisana: (amin' ny ankapobeny) |
Sampanteny |
|
Kamban-teny |
|
Anaram-javamaniry |
|
Anaran-toerana |
|
Fivaditsoratra | 29 asampan, mpanasa, nasampa, sampana |
Nohavaozina tamin' ny 2024/10/08 |