Teny iditra sorohina (soroka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy (tany na ahitra) Alana amin' ny angady, izay asosa fotsiny hisafosafo ny tany ny vohony: Sorohy kely ireto ahitra ireto fa mandoto tokotany
Ialana mialoha: Tokony hosorohina ny loza amin' ny fitandremana fatratra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be dodged to be cleared (of ground); to be removed [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Dont on s'esquive; qu'on enlève en sarclant; qu'on ôte [1.8]
Ohatra sorohina ny ahitra mandady eny an-tokotany [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : sorohina, sorohiko, sorohinao, sorohiny, sorohintsika, sorohinay, sorohinareo, sorohin', sorohin-, sorohim-, sorohi-
Ny lasa : nosorohina, nosorohiko, nosorohinao, nosorohiny, nosorohintsika, nosorohinay, nosorohinareo, nosorohin', nosorohin-, nosorohim-, nosorohi-
Ny hoavy : hosorohina, hosorohiko, hosorohinao, hosorohiny, hosorohintsika, hosorohinay, hosorohinareo, hosorohin', hosorohin-, hosorohim-, hosorohi-
Filaza mandidy : sorohy
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/20