Teny iditra takalo
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Zavatra mitovy vidy amin' ny zavatra iray ka asolo azy: Ity boky ity ve no takalon' ny bokiko vaovao? Tsy hanaiky izany aho
Fanomezana zavatra iray olona, hatao solon-javatra hafa avy aminy, izay ilain' ny tena: Taloha raha mbola tsy nisy ny vola, dia takalo no nifanaovana fa tsy varotra [1.1]
 Endrika ifanakalozana, entana mivantana [1.13]
Fanazavàna teny anglisy Barter, exchange; that which is given in barter [1.7]
Fanazavàna teny frantsay échange, troc [1.3, 1.8, 1.13]
 Ce qu'on donne en échange [1.8]
Ohatra 
1Dia samy lasa izy roa lahy, nony vita ny takalo. [2.293]
2Ireo no reni-vary kosa, ka raha vokatra daholo, tsy misy takalo ny vary [2.48]
3Tsy resaka varotra na takalo rahateo moa no tena ataoko aminao, fa resaka fitiavan-tanindrazana. [2.472]
Sampanteny 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra takalo
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Sakalava] Anaran-kazandrano sahala amin' ny bontàna saingy fihinana [1.1]
Voambolana 

Teny iditra Takalo
Sokajin-teny anarana (lohatenin' boky)
Mpanoratra Vaviroa Marcelline
Fanonta printy 2014. Dodo vole. Ambainy: 31cm. Haavony: 22cm.
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/25