Teny iditra tampo > tampoka
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Tsy nampoizina: Tonga tampoka Rakoto
Vetivety foana: Tampoka foana tao, avy ny orana, ka kotsa izahay rehetra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Suddenly [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Soudain, tout-à-coup, à l'improviste [1.3]
 Subitement [1.8]
Ohatra 
1Tafarina tampoka izy, ka nanontany an-dRenilezo. [2.324]
2Hadinoko tampoka teo ohatra ny tsy nisy ry Soa mbamin-dry Ketaka mpiaraka amiko ao an-tanàna. [2.4]
3Tafatsangana tampoka izy. [2.470]
4Hoy i Lanto maotina tampoka. [2.471]
Sampanteny 
 
Kamban-teny 

Teny iditra tampo > tampoka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fanampiana rano mangatsiaka ny rano mafana mba hampangatsiatsiaka azy, na hanatsatsoana fisotro mahery amin' ny fanampiana rano azy [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Action d'étendre, de couper avec de l'e [...] [tohiny 1.5]
Sampanteny 
 

Teny iditra tampo > tampona
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Ny faritra avo indrindra amin' ny zavatra iray: Ny tampon' ny tendrombohitr' Ankaratra no atao hoe Tsiafajavona
Ny fara tampony ambony, ny fanaperana: Tonga amin' ny tampon' ny voninahitra izy [1.1]
Ohatra Havoana ihany Analatelo, saingy malalaka sy somary marin-tampona. [2.472]
Haiendriteny 
Tsotra : tampona, tampoko, tamponao, tampony, tampontsika, tamponay, tamponareo, tampon', tampon-, tampom-, tampo-
Sampanteny 
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Anaran-toerana 

Fivaditsoratra