|
|
|
|

Teny iditra1  Voninkazo taratasy
Singan-teny  2  voninkazo, taratasy
Sokajin-teny  3  anarana (lohatenin-tononkalo)
Voambolana  4  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  5  Rajaobelison Samuël
Tsanganana sy sary iray takila  6  Fitanisan' ny tononkalo
Lahatsiratra manontolo 
7  Dodona aho hanimbolo
8  F'efa babony tontolo,
9  Kanjo he! mangasihasy!
10  Voninkazo taratasy!

11  Ny voninkazo-Nanahary
12  Ve tsy nisy? ka inona àry,
13  Ka inona no nanolorana
14  'Ty voninkazo torantorana?

15  Karazan-doko mahakofona
16  Fa tsy hanitra na fofona,
17  Nony'njay atao an-tratra:
18  Henjankenjana mandratra.

19  Samy voninkazo ihany:
20  Ny iray velomin-tany,
21  Dokadoka, lenodenoka,
22  Misy fofo-maharenoka!
23  Samy voninkazo ihany:
24  Ny iray namboarina any ho any
25  Lafo vidy, sarotsarotra,
26  Entam-barotra! entam-barotra!

27  Samy fotsy, samy mena,
28  Samy ngita raha jerena.
29  Ny iray, fahaizana hosodoko;
30  Ny iray, kilalaon'ny foko!

31  Eto an-tany koa dia misy
32  Toerana amboarina indrisy!
33  Maka tahaka ny lanitra,
34  Nefa tsisy fofo-manitra.

Nohavaozina tamin' ny 2024/11/25