Tarehintsoratra faha-3 amin'ny Abidia malagasy, ary renisoratra faha-2,
fa nolavin-dRadama I ny C, araka ny efa voalaza.
Ny tantaran'ny tarehintsoratra D, hatrany am-piandohana, tao amin'ny firenena maro,
dia naman'izay efa voalaza momba ny B ihany. -- Ny renisoratra D dia isan'ireo
tonina amin'ny fihetsiky ny nify: mikatona ny nify rehetra ambony sy ambany;
ny loha-lela manohana ny andrianify ambony anankiroa, dia toy ny voatampina
hatraiza hatraiza tsy afa-mivoaka ny feo. Ny feo mivoaka avy amin'izany
vava nihidy izany vohana tampoka, no feon'ny D; ary ny iavahan'ny feony amin'ny an'ny T namany
dia izao: ny T dia toy ny mipoaka tsotra eo am-bava, fa ny D misy mitarika
mipaka any amin'ny tadin-peo any an-tenda, ka malefadefaka sy madondadonda kokoa,
fa ny T mafy fitefoka kokoa.
Tany am-boalohany dia telo zoro toy ny loha-tapenaka ny D.
Niova tsikelikely ny tarehiny: nihanijoro mahitsy ny zorony ankavia, ary ny roa
ankavanana sy ambany nitambatra naka ny endriky ny volan-tsinana.
-- Ny d kely dia ny D lehibe mivadika, ary halavaina miakatra ny andriny.
-- Feo midoboka tian'ny m[andaha-teny hampiasaina ny an'ny D.
Ny d dia akambana amin'ny r hilazana ilay feo manokana hoe dr,
toy ny amin'ny hoe dradradradra, ary tadiavin'ny sasany hakambana koa amin'ny
z hisolo j, toy ny hoe mijery soloana hoe midzery. Izany dia mampiseho fa
misy ihany amin'ny teny malagasy renisoratra sasany izay toninona tsy
mila zanatsoratra: dr, tr, ts, mb, mp, nd, ng, nj, ndr, nts.
Koa raha managasy ny teny baiko dia hita koa ireny, toy ny hoe
Kristy, kristiana, Madagaskara, protestantra, frantsay, anglikana,
presbitera, telegrafy,, ets.
Raha tahiny tsy maintsy hasiana zanatsoratra tsirairay avy ireny renisoratra ireny
dia ho hafahafa be ihany. [1.10]
|