Teny iditra |
abidý
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Fitambaran'ny tarehintsoratra misy amin'ny fitenim-pirenena iray:
Misy tarehintsoratra iraika amby roapolo amin'ny abidy malagasy:
a, b, d, e, f, g, h, i, j, k, l, m, n, o, p, r, s, t, v, y, z. Ny fotopototry ny zavatra na ny fahaizana iray, ny antonjavatra resahina
na lazaina:Miteniteny momba ny bomba atomika Rangahy io, kanefa tsy mahalala
ny abidin'izany akory. Ny ambaratongam-pianarana ambany indrindra ianaran'ny ankizy manambatra tarehintsoratra, manao bi-a-ba:
Efa kilasy fahafiry izao ilay faralahinao? --
Mbola ao amin'ny abidy ny anao ko. [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | The name of the Malagasy Alphabet,
so called from the names of the first three letters [1.2]
|
| The alphabet [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Nom de l'alphabet malgache [1.3]
|
| Alphabet [1.66, 1.5]
|
| L'alphabet [1.8]
|
| (un) alphabet.
Miainga amin' ny ab [...] [tohiny 1.67]
|
Fanazavàna teny italianina | Alfabeto [1.18]
|
Fanazavàna teny alemà | Alphabet. Von der Westgriechen stammt das lateinische Alphabet
und damit auch unsere heutige Schrift.
Zavatra alahatra araka ny abidỳ:
etwas nach dem Alphabet ordnen. Synonym: Buchstabenreihe (f), ABC. [1.56]
|
Ohatra |
1 | Sorabe: teny malagasy nosoratana amin' ny abidy arabo
[2.117]
|
2 | Maniry mafy izahay mba hahazo fianarana abidy sy manambatra ary fianarana hamany teny.
[2.649]
|
3 | Fanehoana an-tsary ireo abidy sy fanolorana ireo mpandray anjara fototra ao amin' ireo lahatsoratra no mamaky lay ny boky.
[2.442]
|
|
Haiendriteny |
Tsotra : |
abidy,
abidim-,
abidin',
abidin- |
|
Kamban-teny |
|
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
Lohateny |
|
Tsipelina hafa |
Tsanganana sy sary iray takila |
|
Teny nalaina |
Sary |
|
|
Teny iditra |
abidy
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | [Betsimisaraka]
Vavy antitra [1.78]
|
| [Betsimisaraka]
Antibavy [1.147]
|
Ohabolana |
|
Teny iditra |
abidy
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | [Betsileo]
andevo
[1.78]
|
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
|
Teny iditra |
abidy
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny anglisy | A provincial name for a water-bird. [1.2]
|
Fanazavàna teny frantsay | [Tankarana]
Nom d'un oiseau aquatique. [1.19]
|
Voambolana |
|