|
|
|
|

Teny iditra1  Vavaka ho an' ilay mpandalo
Singan-teny  2  vavaka, ilay, mpandalo
Sokajin-teny  3  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  4  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  5  Raharolahy Mamy
Mpanonta printy  6  , 1960/01
Lahatsiratra manontolo 
7  Renin-jaza iny mihazakazaka iny, mitrotro zazakely.
8  Marary Ibeby kely, Ibeby tena tiany naman'ny Anjely!
9  Ny tebitebim-pony izany reko izany he mihasohaso
10  Mivavabavaka izy, sady mitomany mitelin-dranomaso.
11  Mitaraina Ibeby anaty lambany ao, mainka koa indreny
12  Mipatraka mijoy fa feno mitatao ny ranomason-dreny.
13  " Tompo, tahio iny renin-jaza iny, sombin'ainy koa;
14  Ny vavaka tononiny anaty fahoriany, henoy, ry Tompo soa!
15  Ianao no nanome ny zaza hifaliana ho kilalaon'ny reny.
16  Ianao no mahavonjy, lanao no iangaviana ra'marary ireny;
17  Tahio ny Dokotera izay halehany any hahita izay hatao,
18  Ianao no mpanazava ny saina ety an-tany k'aza dia mandao " .
19  Nony ampitso anefa, indrisy! fa iny ilay reny tazako nandalo
20  Mitafy sisika ila misaraka aman-teny, mimalo dia mimalo.
21  Ny sandriny ô! indrisy! tsy mitrotro intsony, fa iny eroa aloha
22  Lanjain'ny olon-droa ilay silaky ny fony mandry tsy hifoha.
23  Ry Tompo, Ianao no naka rahefa nanome iny zanak'olona iny!
24  Hankininy aminao ny fahoriany anie mba hisy hitsikiany!

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/01