<-
->

1M 12:1 Hitan' i Jonatasa fa fotoana tsara tamin' izay, ka nifidy olona izy, nalefany tany Roma, hanamafy sy hanavao ny fihavanan' ny Jody amin' ny Romana. Jonathan, voyant que les circonstances lui étaient favorables, choisit des hommes qu' il envoya à Rome pour confirmer et renouveler l' amitié avec les Romains.
1M 12:2 Nandefa taratasy ho any amin' ny Sparsiata sy ny tany hafa koa, hanao araka izany. Aux Spartiates et en d' autres lieux il envoya des lettres dans le même sens.
1M 12:3 Dia nankany Roma ireo, ka niditra tao amin' ny parlamenta, nanao hoe: Nirahin' i Jonatasa mpisorona lehibe sy ny firenena Jody ho aty aminareo izahay hanavao ny fihavanana amam-panekena amin' izy ireo toy ny teo aloha. Ils se rendirent donc à Rome, entrèrent au Sénat et dirent "Jonathan le grand prêtre et la nation des Juifs nous ont envoyés renouveler l' amitié et l' alliance avec eux telles qu' elles étaient auparavant."
1M 12:4 Ary ny parlamenta nanome taratasy azy ireo, ho an' ny manam-pahefana romana any amin' ny isan-tanàna avy nandidy azy hanao izay hiverenan' izy ireo soa aman-tsara any amin' ny tanin' i Jodà. Le Sénat leur donna des lettres pour les autorités de chaque pays, recommandant de les acheminer en paix jusqu' au pays de Juda.
1M 12:5 Izao no kopian' ny taratasy nalefan' i Jonatasa ho any amin' ny Sparsiata: Voici la copie de la lettre que Jonathan écrivit aux Spartiates
1M 12:6 Jonatasa mpisorona lehibe, ny parlamentan' ny firenena ary ny mpisorona mbamin' ny vahoaka Jody sisa, manoratra ho an' ny Sparsiata rahalahiny: Arahaba! "Jonathan, grand prêtre, le sénat de la nation, les prêtres et le reste du peuple des Juifs aux Spartiates leurs frères, salut!
1M 12:7 Tany aloha dia efa nisy taratasy noraisin' i Oniasa mpisorona lehibe, nampitondrain' i Areiosa izay nanjaka taminareo fahizany, nanamarina fa rahalahinay hianareo, araka ny hita amin' ny kopia eo ambany. Déjà au temps passé, une lettre fut envoyée au grand prêtre Onias de la part d' Areios qui régnait parmi vous, attestant que vous êtes nos frères, comme le montre la copie ci-dessous.
1M 12:8 Noraisin' i Oniasa tamim-panajana ilay olona nirahina, noraisiny koa ilay taratasy milaza mazava ny fanekena amam-pihavanana. Onias reçut avec honneur l' homme qui était envoyé et prit la lettre, qui traitait clairement d' alliance et d' amitié.
1M 12:9 Na dia tsy mila izany zavatra izany aza izahay, fa manana ny Boky masina eo am-pelatananay ho fiononam-po, Pour nous, quoique nous n' en ayons pas besoin, ayant pour consolation les saints livres qui sont en nos mains,
1M 12:10 dia mba nanandrana naniraka aty aminareo ihany izahay, hanavao ny fihavanana amam-pifankatiavana manakambana antsika, mba tsy ho zary olon-kafa aminareo izahay; fa taona maro izay no efa lasa, hatramin' ilay nanirahanareo ho aty aminay. nous avons essayé d' envoyer renouveler la fraternité et l' amitié qui nous lient à vous afin que nous ne devenions pas des étrangers pour vous, car bien des années se sont écoulées depuis que vous nous avez envoyé une missive.
1M 12:11 Izahay aloha amin' ny fotoana rehetra dia mahatsiaro anareo mandrakariva, amin' ny fety lehibe fanaonay, amin' ny andro masina hafa, amin' ny sorona aterinay, ary amin' ny vavakay, araka izay mety sy tokony hahatsiarovana izay havana. Quant à nous, nous ne cessons pas, en toute occasion, de faire mémoire de vous aux fêtes et aux autres jours fériés, dans les sacrifices que nous offrons et dans nos prières, comme il est juste et convenable de se souvenir de ses frères.
1M 12:12 Mifaly izahay amin' ny fiadananareo. Nous nous réjouissons de votre gloire.
1M 12:13 Fa izahay kosa hodidinin-doza maro aman' ady tsy an-kijanona, iadian' ireo mpanjaka manodidina anay. Mais pour nous, tribulations et guerres se sont multipliées et les rois nos voisins nous ont combattus.
1M 12:14 Tamin' izany izahay, dia tsy nety nanahirana anareo, na hianareo na ireo havanay sy sakaizanay hafa koa. Nous n' avons pas voulu vous être à charge à propos de ces guerres, ni à nos autres alliés et amis,
1M 12:15 Fa manana ny vonjy avy any an-danitra hanampy anay izahay ka afaka izahay ary voaetry ny fahavalonay. car du Ciel nous vient un secours qui nous sauve. Aussi avons-nous été arrachés à nos ennemis, et ceux-ci ont été humiliés.
1M 12:16 Izany no nifidiananay an' i Nomeniosa zanak' i Antiokosa sy Antipatera zanak' i Jasona, ka nanirahanay azy ireo ho any amin' ny Romana mba hanavao ny fihavanana amam-panekena taloha amin' izy ireo. Nous avons donc choisi Nouménios, fils d' Antiochos, et Antipater, fils de Jason, et nous les avons envoyés aux Romains pour renouveler l' amitié et l' alliance qui nous unissaient à eux auparavant.
1M 12:17 Dia nafaranay izy ho aty aminareo koa, mba hiarahaba anareo sy hitondra ny taratasinay momba ny fanavaozana ny fiahavanantsika. Nous leur avons mandé d' aller aussi chez vous, de vous saluer et de vous remettre notre lettre concernant le renouvellement de notre fraternité.
1M 12:18 Ary ankehitriny, ny mamaly ny amin' izany no mety hataonareo. Et maintenant vous ferez bien de nous répondre à ce sujet."
1M 12:19 Izao no kopian' ny taratasy efa nampitondraina tamin' i Oniasa: Voici la copie de la lettre qu' on avait envoyée à Onias
1M 12:20 Areiosa mpanjakan' ny Sparsiata, ,anoratra ho an' i Oniasa mpisorona lehibe, Arahaba! "Areios, roi des Spartiates, à Onias, grand prêtre, salut.
1M 12:21 Misy soratra momba ny Sparsiata sy ny Jody nahitana fa mpihavana izy firenena roa ireo, ary samy taranak' i Abrahama. Il a été trouvé dans un récit au sujet des Spartiates et des Juifs qu' ils sont frères et qu' ils sont de la race d' Abraham.
1M 12:22 Ka amin' izao ahalalantsika an' izany izao, tsara raha manoratra ho anay ny amin' ny toe-piadananareo hianareo. Maintenant que nous savons cela, vous ferez bien de nous écrire au sujet de votre prospérité.
1M 12:23 Ary izahay koa dia hanoratra ho anareo torak' izany. Fa anay ny biby fiompinareo sy ny fanananareo, ary anareo ny anay. Efa nahazo didy hanao filazana aminareo ny amin' izany ireo izay mitondra ity taratasy ity. Quant à nous, nous vous écrivons : Vos troupeaux et vos biens sont à nous et les nôtres sont à vous. En conséquence nous ordonnons qu' on vous apporte un message en ce sens."
1M 12:24 Nilazana Jonatasa fa niverina hamely azy ireo jeneralin' i Demetriosa, mitondra tafika lehibe lavitra noho ny teo indray. Jonathan apprit que les généraux de Démétrius étaient revenus avec une armée plus nombreuse qu' auparavant pour lui faire la guerre.
1M 12:25 Ka niala tao Jerosalema izy, dia lasa nitsena azy hatrany amin' ny tanin' i Emata, fa tsy navelany hahita fotoana hitsofohana amin' ny taniny akory. Il partit de Jérusalem et se porta à leur rencontre dans le pays de Hamath, car il ne leur donna pas le loisir d' entrer dans son territoire.
1M 12:26 Nandefa mpitsikilo ho any an-tobiny izy; nony tafaverina ireo, nilaza fa nikasa hanao sovok' ady amin' ny alina ny Siriana. Il envoya des espions dans leur camp; ceux-ci revinrent et lui annoncèrent qu' ils étaient disposés à tomber, la nuit, sur les Juifs.
1M 12:27 Nony maty ny masoandro dia nodidian' i Jonatasa ny momba azy hiari-tory, hitam-piadiana tontolo alina ho vonon-kiady, ary nalefany ny mandry tsy aman' afo hipetraka manodidina ny toby. Au coucher du soleil, Jonathan ordonna aux siens de veiller et d' avoir les armes sous la main pour être prêts au combat toute la nuit, et disposa des avant-postes tout autour du camp.
1M 12:28 Ren' ny fahavalo anefa fa mijidina vonon-kiady Jonatasa sy ny momba azy, ka raiki-tahotra izy, nangorohoro ny fony narehiny ny afo teo an-tobiny, dia lasa nandositra izy. A la nouvelle que Jonathan et les siens étaient prêts au combat, les ennemis eurent peur et, le coeur pénétré d'épouvante, allumèrent des feux dans leur camp et s' esquivèrent.
1M 12:29 Maraina ihany vao fantatr' i Jonatasa sy ny momba azy ny nandosiran' izy ireo, satria hitany ny afo mirehitra. Mais Jonathan et sa troupe ne s' aperçurent de leur départ qu' au matin, car ils voyaient briller les feux.
1M 12:30 Izay Jonatasa dia lasa nanenjika azy, nefa tsy nahatratra azy intsony, fa efa tafita ny ony Eleotera izy. Jonathan se mit à leur poursuite mais ne les atteignit pas, parce qu' ils avaient franchi le fleuve Eleuthère.
1M 12:31 Ka nihodina ho any amin' ireo Arabo atao hoe Zabaeana Jonatasa; noreseny ireo, dia nobaboiny ny ananany. Jonathan se tourna contre les Arabes appelés Zabadéens, les battit et s' empara de leurs dépouilles,
1M 12:32 Avy eo izy, dia nankany Damasa sy nitety ny faritany rehetra. puis, ayant levé le camp, il vint à Damas et parcourut toute la province.
1M 12:33 Simona koa teo an-daniny, niainga nandroso ka tonga hatrany Askalona sy hatrany amin' ireo trano mimanda akaiky; dia nihodina nankany Jope sy nitana an' io, Quant à Simon, il était parti et avait marché jusqu'à Ascalon et aux places voisines. Il se détourna sur Joppé et l' occupa.
1M 12:34 satria reny fa mikasa hanolotra ny trano mimanda amin' i Demetriosa ny mponina; dia nametrahany miaramila mponina teo, hiandry ny tanàna. Il avait appris en effet que les habitants voulaient livrer cette place forte aux partisans de Démétrius; il y plaça une garnison pour la garder.
1M 12:35 Nony tafaverina tao Jerosalema Jonatasa, novoriny ny loholon' ny vahoaka dia tapakevitra izy sy ireo, fa hanorina trano mimanda amin' i Jodea; Une fois revenu, Jonathan réunit l' assemblée des anciens du peuple et décida avec eux d'édifier des forteresses en Judée,
1M 12:36 hanondrotra ny mandan' i Jerosalema, hanisy manda avo eo anelanelan' ny trano mimanda sy ny tanàna, hampisaraka azy roa ireo, mba hiavahan' ny trano mimanda sy tsy hahazoana mivarotra na mividy ao. de surélever les murs de Jérusalem, de dresser une haute barrière entre la Citadelle et la ville pour séparer celle-là de la ville et pour qu' elle fût isolée, afin que ses gens ne pussent ni acheter ni vendre.
1M 12:37 Nisy mpiasa voavory hanao ny tanàna, ka dia ny manda miorina eo ambonin' ny ranon-driaka Sedrona any atsinanana aloha no nanombohany ny asa, ka namboarina ilay laniny atao hoe Kafenata. Ils se réunirent pour rebâtir la ville : il était tombé une partie du mur du torrent qui est au levant; il remit à neuf le quartier appelé Chaphénatha.
1M 12:38 Simona kosa indray tetsy an-daniny, nanorina an' i Hadida, eo amin' ny Sefela, dia nanisy vavahady sy hidiny azy. Quant à Simon, il rebâtit Adida dans le Bas-Pays, la fortifia et y déposa des portes munies de verrous.
1M 12:39 Trifona anefa naniry ho tonga mpanjakan' i Asia, sy Hitondra ny diadema, ary hisambotra an' i Antiokosa mpanjaka. Tryphon songeait à régner sur l' Asie, à ceindre le diadème et à mettre la main sur le roi Antiochus.
1M 12:40 Jonatasa no natahorany tsy hamela azy hanao izany sy hiady hanohitra azy, ka izay hevitra hisamborana ny tenan' io sy hamonoana azy no notadiaviny. Dia roso izy, ka tonga tao Betsana. Redoutant que Jonathan ne le laissât pas faire et qu' il ne lui fît au besoin la guerre, il cherchait un biais pour l' appréhender et le faire périr; s'étant mis en mouvement, il vint à Bethsân.
1M 12:41 Fa niroso hitsena azy koa Jonatasa nitondra miaramila efatra alina mpiady voafantina, nandroso ho any Betsana. Jonathan sortit à sa rencontre avec 40.000 hommes choisis pour la bataille rangée, et vint à Bethsân.
1M 12:42 Raha nahita an' i Jonatasa tonga nomban-tafika lehibe Trifona dia tsy sahy nisambotra azy, Tryphon, voyant qu' il était venu avec une armée nombreuse, se garda de mettre la main sur lui.
1M 12:43 fa nandray azy tamim-boninahitra ary nanafatra ireo sakaizany rehetra handray azy tsara, nanolotra fanomezana ho azy, nandidy ny miaramilany hanoa azy toy ny tenany. Il le reçut même avec honneur, le recommanda à tous ses amis, lui fit des cadeaux et ordonna à ses amis et à ses troupes de lui obéir comme à lui-même.
1M 12:44 Ary hoy izy tamin' i Jonatasa: Ahoana ange no dia nanasaranao ireo vahoaka rehetra ireo, nefa tsy misy ady tsinona amintsika? Il dit à Jonathan : "Pourquoi as-tu fatigué tout ce peuple alors qu' il n' y a pas entre nous menace de guerre?
1M 12:45 Koa ampodio ho any an-tranony ireo, fa izay vitsivitsy hanaraka anao no fidio, dia ndeha hiaraka amiko ho any Ptolemaisa fa hatolotro anao io tanàna io, mbamin' ny trano mimanda hafa koa, ny miaramila hafa, ary ny manam-boninahi-panjakana rehetra, vao hiverina any Antiokia aho, fa izany ihany no nankanesako aty. Renvoie-les donc chez eux, choisis-toi quelques hommes pour t' accompagner et viens avec moi à Ptolémaïs. Je te livrerai cette ville ainsi que les autres forteresses, le reste des troupes et tous les fonctionnaires, puis, prenant le chemin du retour, je m' en irai, car c' est dans ce but que je suis venu ici."
1M 12:46 Nino azy Jonatasa ka nanao araka izay nolazainy, nampodiny ny tafiny, dia niverina ho any Jodea ireo. Lui faisant confiance, Jonathan agit suivant ses dires : il renvoya ses troupes, qui regagnèrent le pays de Juda.
1M 12:47 Telo arivo lahy monja no notanany tao aminy, ka ny roa arivo tamin' ireo indray, nalefany ho any Galilea, ka arivo sisa no nanaraka azy. Il garda avec lui 3.000 hommes dont il détacha 2.000 en Galilée, et mille allèrent avec lui.
1M 12:48 Kanjo nony vao tafiditra tao Ptolemaisa Jonatasa dia nohidian' ny mponina ny vavahady ka nosamboriny izy, dia novonoiny tamin' ny sabatra avokoa izay rehetra niara-niditra taminy. Lorsque Jonathan fut entré à Ptolémaïs, les Ptolémaïtes fermèrent les portes, se saisirent de sa personne et passèrent tous ceux qui étaient entrés avec lui au fil de l'épée.
1M 12:49 Tamin' izay ihany koa, dia nanefa miaramila amam-pitaingin-tsoavaly Trifona ho any Galilea sy amin' ny tany lemaka lehibe, hamono ny miaramilan' i Jonatasa rehetra. Tryphon envoya des troupes et de la cavalerie en Galilée et dans la Grande Plaine pour exterminer tous les partisans de Jonathan.
1M 12:50 Nefa nandre kosa ireo fa hoe voasambotra Jonatasa sady niara-novonoina tamin' izay rehetra nanaraka azy; ka nifamporisika teo izy, dia rafitra nandroso, nilahatra tsara, vonon-kiady. Ceux-ci comprirent qu' il avait été pris et qu' il était perdu comme ceux qui se trouvaient avec lui; ils s' encouragèrent les uns les autres et marchèrent en rangs serrés, prêts au combat.
1M 12:51 Nony hitan' ireo nanenjika azy fa vonon-kiaro ny ainy izy ireo, dia niverina ilàlana izy; Ceux qui les poursuivaient, voyant qu' ils luttaient pour leur vie, s' en retournèrent.
1M 12:52 fa izy rehetra ireo kosa nody tsy nisy mpanelingelina amin' ny tanin' i Jodea. Nitomany an' i Jonatasa sy ny namany izy ireo, ary raiki-tahotra mafy izy; nanao fisaonana lehibe avokoa Israely rehetra. Ils arrivèrent tous sains et saufs au pays de Juda, pleurèrent Jonathan et ses compagnons et furent en proie à une grande frayeur; tout Israël mena un grand deuil.
1M 12:53 Tamin' izany ny firenena manodidina, nitady handevona azy avokoa, fa hoy izy: Toutes les nations d' alentour cherchèrent à les exterminer "Ils n' ont pas de chef, disaient-ils, ni d' aide, il est temps de les attraper et nous effacerons leur souvenir du milieu des hommes."
1M 12:54 Efa tsy manan-doha na mpanampy na iza na iza, izy ireo, ka ndeha hasiantsika amin' izao, ataovy levona ny fahatsiarovana an' ireo ao amin' ny olombelona.

<-
->