<-
->

Mik / Mi 6:1 Hear ye now what the Lord saith; Arise, contend thou before the mountains, and let the hills hear thy voice. Masìna ianareo, mihainoa izay lazain' i Jehovah: Mitsangàna, mandahara eo anoloan' ny tendrombohitra, Ary aoka ho ren' ny havoana ny feonao. Mihainoa ary izay lazain' ny Tompo hianareo: - Mitsangàna hianao ary ataovy vita ny adinao eo anoloan' ny tendrombohitra, ary aoka ny havoana handre ny feonao! Écoutez donc ce que dit Yahvé : " Debout! Entre en procès devant les montagnes et que les collines entendent ta voix! "
Mik / Mi 6:2 Hear ye, O mountains, the Lord' s controversy, and ye strong foundations of the earth: for the Lord hath a controversy with his people, and he will plead with Israel. Mihainoa ny adin' i Jehovah ianareo, ry tendrombohitra, Sy ianareo, ry fanorena-matezan' ny tany; Fa Jehovah manana ady amin' ny olony, Eny, amin' ny Isiraely no ifandaharany. Mihainoa ny adin' ny Tompo hianareo, ry tendrombohitra, mbaminareo fanorenan' ny tany tsy azo ovana! Fa manan' ady amin' ny vahoakany Iaveh; ka handahatra manohitra an' Israely izy. - Écoutez, montagnes, le procès de Yahvé, prêtez l' oreille, fondements de la terre, car Yahvé est en procès avec son peuple, il plaide contre Israël :
Mik / Mi 6:3 O my people, what have I done unto thee? and wherein have I wearied thee? testify against me. Ry oloko, inona no nataoko taminao? Inona no nanasarako anao? Tondroy maso ary Aho. Inona no nataoko taminao, ry vahoakako, inona no nampalahelovako anao? Valio ny teniko. " Mon peuple, que t' ai-je fait ? en quoi t' ai-je fatigué ? Réponds-moi.
Mik / Mi 6:4 For I brought thee up out of the land of Egypt, and redeemed thee out of the house of servants; and I sent before thee Moses, Aaron, and Miriam. Fa nentiko niakatra avy tany amin' ny tany Egypta ianao Sady navotako avy tao amin' ny trano nahandevozana: Dia nirahiko hitarika anao Mosesy sy Arona ary Miriama. Fa nitondra anao niakatra avy any amin' ny tany Ejipta aho, ary nanavotra anao tamin' ny andro nahandevozana; ary naniraka teo anoloanao, an' i Moizy sy Aarona ary Maria. Car je t' ai fait monter du pays d'Égypte, je t' ai racheté de la maison de servitude; j' ai envoyé devant toi Moïse, Aaron et Miryam.
Mik / Mi 6:5 O my people, remember now what Balak king of Moab consulted, and what Balaam the son of Beor answered him from Shittim unto Gilgal; that ye may know the righteousness of the Lord. Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon' i Balaka, mpanjakan' i Moaba, Sy izay navalin' i Balama, zanak' i Beora, azy, Ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala, Hahafantaranareo ny asa marina nataon' i Jehovah. Tsarovy ary, ry vahoakako, ny hevitra nomen' i Balaka, mpanjakan' i Moaba, sy ny navalin' i Balaama, zanak' i Beora, azy. Tsarovy ny hatrany Setima ka hatrany Galgala, hahafantaranao ny fahamarinan' ny Tompo. Mon peuple, souviens-toi donc : quel était le projet de Balaq, roi de Moab ? Que lui répondit Balaam, fils de Béor ? ... de Shittim à Gilgal, pour que tu connaisses les justes oeuvres de Yahvé. "
Mik / Mi 6:6 Wherewith shall I come before the Lord, and bow myself before the high God? shall I come before him with burnt offerings, with calves of a year old? Inona no ho entiko manatona an' i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan' Andriamanitra Izay any amin' ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho? Inona no hoentiko hanoloana an' ny Tompo sy hiankohoka eo anatrehan' ny Andriamanitry ny any ambony? Hanoloana azy mitondra sorona dorana va aho dia zanak' omby efa iray taona? - " Avec quoi me présenterai-je devant Yahvé, me prosternerai-je devant le Dieu de là-haut ? Me présenterai-je avec des holocaustes, avec des veaux d' un an ?
Mik / Mi 6:7 Will the Lord be pleased with thousands of rams, or with ten thousands of rivers of oil? shall I give my firstborn for my transgression, the fruit of my body for the sin of my soul? Ho sitrak' i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, Na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, Na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan' ny fanahiko? Hankasitrahan' ny Tompo va ny ondry arivoarivo, ny renirano diloilo alinalina? Hanolotra ny lahimatoako va aho, noho ny heloko, dia ny naloaky ny kiboko, noho ny fahotan' ny fanahiko? Prendra-t-il plaisir à des milliers de béliers, à des libations d' huile par torrents ? Faudra-t-il que j' offre mon aîné pour prix de mon crime, le fruit de mes entrailles pour mon propre péché ? "
Mik / Mi 6:8 He hath shewed thee, O man, what is good; and what doth the Lord require of thee, but to do justly, and to love mercy, and to walk humbly with thy God? Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain' i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an' Andriamanitrao amin' ny fanetren-tena Efa nampahalalaina anao, ry olombelona, izay tsara, sy izay ilain' ny Tompo aminao, dia ny hanao ny fahamarinana, ny ho tia famindram-po, ary ny hanaraka an' Andriamanitra amim-panetren-tena. - " On t' a fait savoir, homme, ce qui est bien, ce que Yahvé réclame de toi : rien d' autre que d' accomplir la justice, d' aimer la bonté et de marcher humblement avec ton Dieu. "
Mik / Mi 6:9 The Lord' s voice crieth unto the city, and the man of wisdom shall see thy name: hear ye the rod, and who hath appointed it. Manaitra ny tanàna ny feon' i Jehovah, Ary mahita ny anaranao ny hendry; Henoinareo ny tsorakazo sy Izay nanendry azy. Miantso mafy miteny amin' ny tanàna ny feon' ny Tompo - ary fahendrena kosa ny manaja ny anaranao: - Mihainoa hianareo, ny tsorakazo, mbamin' izay nandidy azy! C' est la voix de Yahvé! Il crie à la cité : Écoutez, tribu et assemblée de la cité!
Mik / Mi 6:10 Are there yet the treasures of wickedness in the house of the wicked, and the scant measure that is abominable? Mbola misy rakitry ny faharatsiana ihany va ao an-tranon' ny ratsy fanahy Sy ny famarana tsy ampy izay voaozona? Mbola misy, ao an-tranon' ny ratsy fanahy ihany va ny harena tsy marina, sy ny efah tsy ampy, maharikoriko? Puis-je supporter une mesure fausse et un boisseau diminué, abominable ?
Mik / Mi 6:11 Shall I count them pure with the wicked balances, and with the bag of deceitful weights? Mety madio va aho, raha manana mizana mandainga Sy kitapo misy vato tsy marina? Moa hadio va aho, raha mana-mizàna mandainga, sy vato tsy marina ao anatin' ny kitapo? Puis-je tenir pour pur qui se sert de balances fausses, d' une bourse de poids truqués ?
Mik / Mi 6:12 For the rich men thereof are full of violence, and the inhabitants thereof have spoken lies, and their tongue is deceitful in their mouth. Fa feno loza ny mpanankarenany, Mandainga ny mponina ao aminy, Ary ny lelany dia fitaka eo am-bavany. Feno fahasiahana ny mpanankarena amin' ity tanàna ity; milaza lainga ny mponina ao aminy, ary fitaka eo am-bavany fotsiny, ny lelany. Elle dont les riches sont pleins de violence et dont les habitants profèrent le mensonge!
Mik / Mi 6:13 Therefore also will I make thee sick in smiting thee, in making thee desolate because of thy sins. Izaho kosa dia hikapoka maharary anao Amin' ny fandringanako anao noho ny helokao. Koa izao kosa no ahy, ka hasiako kapoka mahafaty hianao, haringako noho ny fahotanao hianao. Aussi, moi-même, j' ai commencé à te frapper, à te dévaster pour tes péchés.
Mik / Mi 6:14 Thou shalt eat, but not be satisfied; and thy casting down shall be in the midst of thee; and thou shalt take hold, but shalt not deliver; and that which thou deliverest will I give up to the sword. Hianao hihinana, nefa tsy ho voky, Fa mbola ho ao anatinao ihany ny fahanoananao; Hampirina ianao, nefa tsy hahavonjy, Ary izay voavonjinao aza dia hatolotro ho amin' ny sabatra. Hihinana hianao, nefa tsy ho voky, ary ho ao anatinao ny hanoanana; hahatakao lavitra ihany nefa tsy hisy hovonjenao na inona na inona, ary na izay voavonjinao aza, hatolotro ny sabatra. Tu mangeras, mais tu ne pourras te rassasier; tu mettras de côté, mais tu ne pourras rien garder; et si tu peux garder quelque chose, je le livrerai à l'épée.
Mik / Mi 6:15 Thou shalt sow, but thou shalt not reap; thou shalt tread the olives, but thou shalt not anoint thee with oil; and sweet wine, but shalt not drink wine. Hiantso hamafy, nefa tsy hijinja; Hianao hanosihosy oliva, nefa tsy hihosotra diloilo, Ary hanosihosy ranom-boaloboka, nefa tsy hisotro divay; Hamafy hianao, fa tsy hijinja; hamia oliva hianao, fa tsy hihosotra diloilo; hamia ranom-boaloboka, fa tsy hisotro divay. Tu sèmeras, mais tu ne pourras faire la moisson; tu presseras l' olive, mais tu ne pourras t' oindre d' huile, le moût, mais tu ne pourras boire de vin.
Mik / Mi 6:16 For the statutes of Omri are kept, and all the works of the house of Ahab, and ye walk in their counsels; that I should make thee a desolation, and the inhabitants thereof an hissing: therefore ye shall bear the reproach of my people. Fa fatra-pitandrina ny lalàn' i Omry Sy ny asan' ny taranak' i Ahaba rehetra ianareo Sady manaraka ny fisainany, Mba hanolorako anao ho figagana, Ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra, Ka dia hitondra ny latsan' ny oloko ianareo. Mitandrina ny fitsipik' i Amrì ny olona, mbamin' ny fanaon' ny taranak' i Akaba rehetra, ary mandeha araka ny toroheviny hianareo, mba hanolorako anareo ho amin' ny fandringanana, ary ny mponina amin' ny tany, ho amin' ny fisitrisirana, ka hivesaranareo ny latsan' ny vahoakako. Tu observes les lois d' Omri, toutes les pratiques de la maison d' Achab; tu te conduis selon leurs principes, pour que je fasse de toi un objet de stupeur, de tes habitants une dérision, et que vous portiez l' opprobre des peuples.

<-
->