<-
->

Mat / Mt 19:1 And it came to pass, that when Jesus had finished these sayings, he departed from Galilee, and came into the coasts of Judaea beyond Jordan; Ary rehefa vitan' i Jesosy izany teny izany, dia niala tany Galilia Izy ka nihazo ny lalana teny an-dafin' i Jordana, dia tonga tany amin' ny sisin' i Jodia. Rahefa avy niteny izany Jeso, dia niala tao Galilea ka tonga teny an-tsisin' i Jodea, andafin' i Jordany. Et il advint, quand Jésus eut achevé ces discours, qu' il quitta la Galilée et vint dans le territoire de la Judée au-delà du Jourdain.
Mat / Mt 19:2 And great multitudes followed him; and he healed them there. Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy, dia nahasitrana azy teo Izy. Vahoaka be dia be no nanaraka azy, ary nanasitrana ny marary teo izy. Des foules nombreuses le suivirent, et là il les guérit.
Mat / Mt 19:3 The Pharisees also came unto him, tempting him, and saying unto him, Is it lawful for a man to put away his wife for every cause? Ary nisy Fariseo nanatona Azy, dia naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay rehetra entiny iampangany azy na inona na inona? Ary nisy Farisiana nanatona azy mba haka fanahy azy, ka nanao hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy, na inona na inona antony? Des Pharisiens s' approchèrent de lui et lui dirent, pour le mettre à l'épreuve : " Est-il permis de répudier sa femme pour n' importe quel motif ? "
Mat / Mt 19:4 And he answered and said unto them, Have ye not read, that he which made them at the beginning made them male and female, Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin' ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy (Gen. 1. 27), ka dia nanao hoe: Dia hoy izy namaly azy ireo: Tsy novakinareo va fa izay nahary ny olona tamin' ny voalohany dia nanao azy ho lahy sy vavy ary nilaza hoe: Il répondit : " N' avez-vous pas lu que le Créateur, dès l' origine, les fit homme et femme,
Mat / Mt 19:5 And said, For this cause shall a man leave father and mother, and shall cleave to his wife: and they twain shall be one flesh? Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin' ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa. (Gen. 2. 24)? Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny, ka hikambana amin' ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roroa? et qu' il a dit : Ainsi donc l' homme quittera son père et sa mère pour s' attacher à sa femme, et les deux ne feront qu' une seule chair ?
Mat / Mt 19:6 Wherefore they are no more twain, but one flesh. What therefore God hath joined together, let not man put asunder. ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin' izany, izay nampiraisin' Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin' olona. Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray. Koa aoka izay nakamban' Andriamanitra tsy hosarahin' ny olona. Ainsi ils ne sont plus deux, mais une seule chair. Eh bien ! ce que Dieu a uni, l' homme ne doit point le séparer. " -
Mat / Mt 19:7 They say unto him, Why did Moses then command to give a writing of divorcement, and to put her away? Hoy ireo taminy: Nahoana ary Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy? (Deo. 24. 1). Ka nahoana Moizy, hoy ireo taminy, no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy? " Pourquoi donc, lui disent-ils, Moïse a-t-il prescrit de donner un acte de divorce quand on répudie ? " -
Mat / Mt 19:8 He saith unto them, Moses because of the hardness of your hearts suffered you to put away your wives: but from the beginning it was not so. Ary hoy Jesosy taminy: Ny hamafin' ny fonareo no namelan' i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin' ny voalohany dia tsy mba toy izany. Dia hoy izy taminy: Ny hamafin' ny fonareo no nanomezan' i Moizy lalàna anareo hisao-bady; fa hatramin' ny voalohany dia tsy mba toy izany. " C' est, leur dit-il, en raison de votre dureté de coeur que Moïse vous a permis de répudier vos femmes ; mais dès l' origine il n' en fut pas ainsi.
Mat / Mt 19:9 And I say unto you, Whosoever shall put away his wife, except it be for fornication, and shall marry another, committeth adultery: and whoso marrieth her which is put away doth commit adultery. Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga; ary izay mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa. Koa dia lazaiko aminareo, fa izay rehetra mandroaka ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka manam-bady hafa, dia mpijangajanga; ary izay mampakatra ny vehivavy voaroaka, dia mijangajanga koa. Or je vous le dis : quiconque répudie sa femme - pas pour " prostitution " - et en épouse une autre, commet un adultère. "
Mat / Mt 19:10 His disciples say unto him, If the case of the man be so with his wife, it is not good to marry. Dia hoy ny mpianatra taminy: Raha izany no toetry ny lehilahy amin' ny vadiny, dia aleo tsy manambady. Raha izany no toetran' ny lehilahy amin' ny vadiny, hoy ny mpianany taminy, dia aleo tsy manam-bady. Les disciples lui disent : " Si telle est la condition de l' homme envers la femme, il n' est pas expédient de se marier. "
Mat / Mt 19:11 But he said unto them, All men cannot receive this saying, save they to whom it is given. Fa hoy Izy taminy: Tsy ny olona rehetra no mahay mandray izany teny izany, fa izay nomena ihany; Ary hoy izy taminy: Tsy ny olona rehetra no mahazo izany teny izany, fa izay nomena fahasoavana ihany. Il leur dit : " Tous ne comprennent pas ce langage, mais ceux-là à qui c' est donné.
Mat / Mt 19:12 For there are some eunuchs, which were so born from their mother' s womb: and there are some eunuchs, which were made eunuchs of men: and there be eunuchs, which have made themselves eunuchs for the kingdom of heaven' s sake. He that is able to receive it, let him receive it. fa misy ionoka, izay teraka ionoka hatrany an-kibon-dreniny; ary misy ionoka, izay nataon' ny olona ionoka; ary misy ionoka, izay nanao ny tenany ionoka noho ny fanjakan' ny lanitra. Aoka handray izany izay mahay mandray. Fa misy eonoka hatrany an-kibon-dreniny; misy eonoka nataon' ny olona, ary misy eonoka izay nanao ny tenany eonoka noho ny fanjakan' ny lanitra. Aoka handray izay mahay mandray. Il y a, en effet, des eunuques qui sont nés ainsi du sein de leur mère, il y a des eunuques qui le sont devenus par l' action des hommes, et il y a des eunuques qui se sont eux-mêmes rendus tels à cause du Royaume des Cieux. Qui peut comprendre, qu' il comprenne ! "
Mat / Mt 19:13 Then were there brought unto him little children, that he should put his hands on them, and pray: and the disciples rebuked them. Ary tamin' izany dia nisy zazakely nentina teo amin' i Jesosy mba hametrahany ny tànany sy hivavahany ho azy; fa ny mpianany niteny mafy ireny. Tamin' izay dia nisy zazakely maromaro nentina teo aminy, mba hametrahany tànana sy hivavahany ho azy; fa noraran' ny mpianany mafy ireo. Alors des petits enfants lui furent présentés, pour qu' il leur imposât les mains en priant ; mais les disciples les rabrouèrent.
Mat / Mt 19:14 But Jesus said, Suffer little children, and forbid them not, to come unto me: for of such is the kingdom of heaven. Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an' ny toa azy ny fanjakan' ny lanitra. Ka hoy Jeso taminy: Avelao ny zaza, ary aza rarana tsy hanatona ahy; fa an' ny tahaka azy ny fanjakan' ny lanitra. Jésus dit alors : " Laissez les petits enfants et ne les empêchez pas de venir à moi ; car c' est à leurs pareils qu' appartient le Royaume des Cieux. "
Mat / Mt 19:15 And he laid his hands on them, and departed thence. Ary nony nametraka ny tànany taminy Izy, dia niala teo. Ary rahefa nametra-tànana tamin' izy ireo izy, dia nizo-dàlana indray. Puis il leur imposa les mains et poursuivit sa route.
Mat / Mt 19:16 And, behold, one came and said unto him, Good Master, what good thing shall I do, that I may have eternal life? Ary, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay? Ary indro nisy olona anankiray nanatona ka nilaza taminy hoe: Ry Mpampianatra tsara ô, inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay? Et voici qu' un homme s' approcha et lui dit : " Maître, que dois-je faire de bon pour obtenir la vie éternelle ? "
Mat / Mt 19:17 And he said unto him, Why callest thou me good? there is none good but one, that is, God: but if thou wilt enter into life, keep the commandments. Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin' izay tsara? Iray no tsara; fa raha te-hiditra any amin' ny fiainana ianao, tandremo ny didy. Dia hoy izy namaly azy: Ahoana ary no iantsoanao ahy hoe tsara? Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra; ka raha te-hiditra any amin' ny fiainana hianao, tandremo ny didy. Il lui dit : " Qu' as-tu à m' interroger sur ce qui est bon ? Un seul est le Bon. Que si tu veux entrer dans la vie, observe les commandements. " -
Mat / Mt 19:18 He saith unto him, Which? Jesus said, Thou shalt do no murder, Thou shalt not commit adultery, Thou shalt not steal, Thou shalt not bear false witness, Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Didy inona avy? hoy izy. Dia hoy Jeso: Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona tsy marina, " Lesquels ? " lui dit-il. Jésus reprit : " Tu ne tueras pas, tu ne commettras pas d' adultère, tu ne voleras pas, tu ne porteras pas de faux témoignage,
Mat / Mt 19:19 Honour thy father and thy mother: and, Thou shalt love thy neighbour as thyself. Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20:12-16), ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19:18). manajà ny rainao aman-dreninao, ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao. honore ton père et ta mère, et tu aimeras ton prochain comme toi-même. "
Mat / Mt 19:20 The young man saith unto him, All these things have I kept from my youth up: what lack I yet? Hoy ilay zatovo taminy: Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy? Hatry ny fony mbola kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany, hoy ilay tovolahy taminy; ka inona no mbola tsy ampy amiko? " Tout cela, lui dit le jeune homme, je l' ai observé ; que me manque-t-il encore ? " -
Mat / Mt 19:21 Jesus said unto him, If thou wilt be perfect, go and sell that thou hast, and give to the poor, and thou shalt have treasure in heaven: and come and follow me. Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy. Ary hoy Jeso taminy: Raha tany tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra hianao, ary rahefa izany dia avia hanaraka ahy. Jésus lui déclara : " Si tu veux être parfait, va, vends ce que tu possèdes et donne-le aux pauvres, et tu auras un trésor dans les cieux ; puis viens, suis-moi. "
Mat / Mt 19:22 But when the young man heard that saying, he went away sorrowful: for he had great possessions. Fa nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin' alahelo izy, satria nanana fananana be. Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin' alahelo, satria be ny fananany. Entendant cette parole, le jeune homme s' en alla contristé, car il avait de grands biens.
Mat / Mt 19:23 Then said Jesus unto his disciples, Verily I say unto you, That a rich man shall hardly enter into the kingdom of heaven. Dia hoy Jesosy tamin' ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran' ny manan-karena amin' ny fanjakan' ny lanitra. Ary dia hoy Jeso tamin' ny mpianany: Lazaiko marina aminareo fa sarotra ny hidiran' ny mpanan-karena amin' ny fanjakan' ny lanitra. Jésus dit alors à ses disciples : " En vérité, je vous le dis, il sera difficile à un riche d' entrer dans le Royaume des Cieux.
Mat / Mt 19:24 And again I say unto you, It is easier for a camel to go through the eye of a needle, than for a rich man to enter into the kingdom of God. Ary hoy Izaho aminareo indray: Ho moramora kokoa ny hidiran' ny rameva amin' ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran' ny manan-karena amin' ny fanjakan' Andriamanitra. Ary izao koa no lazaiko aminareo: Moramora kokoa ny hidiran' ny rameva amin' ny vody fanjaitra noho ny hidiran' ny mpanan-karena amin' ny fanjakan' ny lanitra. Oui, je vous le répète, il est plus facile à un chameau de passer par un trou d' aiguille qu'à un riche d' entrer dans le Royaume des Cieux. "
Mat / Mt 19:25 When his disciples heard it, they were exceedingly amazed, saying, Who then can be saved? Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Iza indray no azo hovonjena? Gaga dia gaga ny mpianany nandre izany teny izany, ka nanao hoe: Koa iza ihany ary no mety ho voavonjy? Entendant cela, les disciples restèrent tout interdits : " Qui donc peut être sauvé ? " disaient-ils.
Mat / Mt 19:26 But Jesus beheld them, and said unto them, With men this is impossible; but with God all things are possible. Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain' ny olona izany, fa hain' Andriamanitra ny zavatra rehetra. Nijery azy ireo Jeso, ka nanao hoe: Tsy hain' olombelona izany, fa vitan' Andriamanitra ny zavatra rehetra. Fixant son regard, Jésus leur dit : " Pour les hommes c' est impossible, mais pour Dieu tout est possible. "
Mat / Mt 19:27 Then answered Peter and said unto him, Behold, we have forsaken all, and followed thee; what shall we have therefore? Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao; koa inona ary no ho azonay? Namaly Piera ka nanao taminy hoe: Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka anao, ka inona ary no ho azonay? Alors, prenant la parole, Pierre lui dit : " Voici que nous, nous avons tout laissé et nous t' avons suivi, quelle sera donc notre part ? "
Mat / Mt 19:28 And Jesus said unto them, Verily I say unto you, That ye which have followed me, in the regeneration when the Son of man shall sit in the throne of his glory, ye also shall sit upon twelve thrones, judging the twelve tribes of Israel. Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin' ny fanavaozana, ka hipetraka amin' ny seza fiandrianan' ny voninahiny ny Zanak' olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin' ny seza fiandrianana roa ambin' ny folo ka hitsara ny firenen' isiraely roa ambin' ny folo. Hoy Jeso taminy: Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin' ny andro fanavaozana, ny Zanak' olona dia hipetraka eo amin' ny fiketrahan' ny fiandrianany; ary hianareo izay nanaraka ahy koa hipetraka amin' ny fiketrahana roa ambin' ny folo, ka hitsara ny foko roa ambin' ny folo amin' Israely. Jésus leur dit : " En vérité je vous le dis, à vous qui m' avez suivi : dans la régénération, quand le Fils de l' homme siégera sur son trône de gloire, vous siégerez vous aussi sur douze trônes, pour juger les douze tribus d' Israël.
Mat / Mt 19:29 And every one that hath forsaken houses, or brethren, or sisters, or father, or mother, or wife, or children, or lands, for my name' s sake, shall receive an hundredfold, and shall inherit everlasting life. Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay. Ary izay rehetra handao ny tranony, na ny rahalahiny, na ny anabaviny, na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny noho ny anarako, dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay. Et quiconque aura laissé maisons, frères, soeurs, père, mère, enfants ou champs, à cause de mon nom, recevra bien davantage et aura en héritage la vie éternelle.
Mat / Mt 19:30 But many that are first shall be last; and the last shall be first. Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany. Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary maro koa izay farany no ho voalohany. " Beaucoup de premiers seront derniers, et de derniers seront premiers. "

<-
->