<-
->

Mat / Mt 25:1 Then shall the kingdom of heaven be likened unto ten virgins, which took their lamps, and went forth to meet the bridegroom. Ary amin' izany ny fanjakan' ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra. Ary amin' izany ny fanjakan' ny lanitra, dia ho tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany, ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina. " Alors il en sera du Royaume des Cieux comme de dix vierges qui s' en allèrent, munies de leurs lampes, à la rencontre de l'époux.
Mat / Mt 25:2 And five of them were wise, and five were foolish. Ary ny dimy tamin' ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry. Ny dimy tamin' izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry; Or cinq d' entre elles étaient sottes et cinq étaient sensées.
Mat / Mt 25:3 They that were foolish took their lamps, and took no oil with them: Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza; ny dimy adala nitondra fanala, fa tsy nitondra solika; Les sottes, en effet, prirent leurs lampes, mais sans se munir d' huile ;
Mat / Mt 25:4 But the wise took oil in their vessels with their lamps. ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin' ny fitondrany sy ny fanalany. fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin' ny fitoeran-tsolika. tandis que les sensées, en même temps que leurs lampes, prirent de l' huile dans les fioles.
Mat / Mt 25:5 While the bridegroom tarried, they all slumbered and slept. Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory. Ary noho ny fahelan' ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory. Comme l'époux se faisait attendre, elles s' assoupirent toutes et s' endormirent.
Mat / Mt 25:6 And at midnight there was a cry made, Behold, the bridegroom cometh; go ye out to meet him. Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy. Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe: Inty tamy ny mpampakatra, mandehana mitsena azy hianareo. Mais à minuit un cri retentit : "Voici l'époux ! sortez à sa rencontre ! "
Mat / Mt 25:7 Then all those virgins arose, and trimmed their lamps. Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany. Tamin' izay dia niarina ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboatra ny jirony. Alors toutes ces vierges se réveillèrent et apprêtèrent leurs lampes.
Mat / Mt 25:8 And the foolish said unto the wise, Give us of your oil; for our lamps are gone out. Dia hoy ny adala tamin' ny hendry: Mba omeo kely amin' ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay. Ary hoy ny adala tamin' ny hendry: Mba omeo kely amin' ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny jironay. Et les sottes de dire aux sensées : "Donnez-nous de votre huile, car nos lampes s'éteignent. "
Mat / Mt 25:9 But the wise answered, saying, Not so; lest there be not enough for us and you: but go ye rather to them that sell, and buy for yourselves. Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin' ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo. Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo, hoy ny navalin' ny hendry azy; fa aleo mankany amin' ny mpivarotra hianareo, ka mividiana ho anareo. Mais celles-ci leur répondirent : "Il n' y en aurait sans doute pas assez pour nous et pour vous ; allez plutôt chez les marchands et achetez-en pour vous. "
Mat / Mt 25:10 And while they went to buy, the bridegroom came; and they that were ready went in with him to the marriage: and the door was shut. Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin' ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana. Ary raha mbola nandeha nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin' ny fampakaram-bady, dia nohidiana ny varavarana. Elles étaient parties en acheter quand arriva l'époux : celles qui étaient prêtes entrèrent avec lui dans la salle des noces, et la porte se referma.
Mat / Mt 25:11 Afterward came also the other virgins, saying, Lord, Lord, open to us. Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay. Nony afaka kelikely, dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe: Tompoko, tompoko, vohay izahay. Finalement les autres vierges arrivèrent aussi et dirent : "Seigneur, Seigneur, ouvre-nous ! "
Mat / Mt 25:12 But he answered and said, Verily I say unto you, I know you not. Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo. Fa hoy ny navaliny azy: Lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro akory hianareo. Mais il répondit : "En vérité je vous le dis, je ne vous connais pas ! "
Mat / Mt 25:13 Watch therefore, for ye know neither the day nor the hour wherein the Son of man cometh. Koa amin' izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora. Koa miambena hianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora. Veillez donc, car vous ne savez ni le jour ni l' heure.
Mat / Mt 25:14 For the kingdom of heaven is as a man travelling into a far country, who called his own servants, and delivered unto them his goods. Fa ny fanjakan' ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany: Fa Andriamanitra hanao tahaka ny lehilahy anankiray handeha hivahiny, ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy. " C' est comme un homme qui, partant en voyage, appela ses serviteurs et leur remit sa fortune.
Mat / Mt 25:15 And unto one he gave five talents, to another two, and to another one; to every man according to his several ability; and straightway took his journey. koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray,- samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy. Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray, samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy. A l' un il donna cinq talents, deux à un autre, un seul à un troisième, à chacun selon ses capacités, et puis il partit. Aussitôt
Mat / Mt 25:16 Then he that had received the five talents went and traded with the same, and made them other five talents. Ary niaraka tamin' izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy. Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany, ka nahazo tombom-barotra dimy koa. celui qui avait reçu les cinq talents alla les faire produire et en gagna cinq autres.
Mat / Mt 25:17 And likewise he that had received two, he also gained other two. Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony. Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa; De même celui qui en avait reçu deux en gagna deux autres.
Mat / Mt 25:18 But he that had received one went and digged in the earth, and hid his lord' s money. Fa ilay nandray ny iray kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan' ny tompony. fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan' ny tompony. Mais celui qui n' en avait reçu qu' un s' en alla faire un trou en terre et enfouit l' argent de son maître.
Mat / Mt 25:19 After a long time the lord of those servants cometh, and reckoneth with them. Ary nony ela, dia tonga ny tompon' ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin' ny volany. Nony ela dia niverina ny tompon' ireo mpanompo ireo, ka nampamoaka azy ny amin' ny volany. Après un long temps, le maître de ces serviteurs arrive et il règle ses comptes avec eux.
Mat / Mt 25:20 And so he that had received five talents came and brought other five talents, saying, Lord, thou deliveredst unto me five talents: behold, I have gained beside them five talents more. Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho. Dia nanatona ilay nandray talenta dimy, nitondra talenta dimy hafa koa ka nanao hoe: Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho. Celui qui avait reçu les cinq talents s' avança et présenta cinq autres talents : "Seigneur, dit-il, tu m' a remis cinq talents : voici cinq autres talents que j' ai gagnés. " -
Mat / Mt 25:21 His lord said unto him, Well done, thou good and faithful servant: thou hast been faithful over a few things, I will make thee ruler over many things: enter thou into the joy of thy lord. Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin' ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin' ny fifalian' ny tomponao. Dia hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho hianao nahatoky tamin' ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be hianao: miaraha mifaly amin' ny tomponao. "C' est bien, serviteur bon et fidèle, lui dit son maître, en peu de choses tu as été fidèle, sur beaucoup je t'établirai ; entre dans la joie de ton seigneur".
Mat / Mt 25:22 He also that had received two talents came and said, Lord, thou deliveredst unto me two talents: behold, I have gained two other talents beside them. Ary nony nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho. Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa, dia nanao hoe: Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho. Vint ensuite celui qui avait reçu deux talents : "Seigneur, dit-il, tu m' as remis deux talents : voici deux autres talents que j' ai gagnés. " -
Mat / Mt 25:23 His lord said unto him, Well done, good and faithful servant; thou hast been faithful over a few things, I will make thee ruler over many things: enter thou into the joy of thy lord. Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin' ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin' ny fifalian' ny tomponao. Dia hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho hianao nahatoky tamin' ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be hianao: miaraha mifaly amin' ny tomponao. "C' est bien, serviteur bon et fidèle, lui dit son maître, en peu de choses tu as été fidèle, sur beaucoup je t'établirai ; entre dans la joie de ton seigneur".
Mat / Mt 25:24 Then he which had received the one talent came and said, Lord, I knew thee that thou art an hard man, reaping where thou hast not sown, and gathering where thou hast not strawed: Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary ianao, mijinja eny amin' izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin' izay tsy nanahafanao; Dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray ka nanao hoe: Tompoko, fantatro fa olona lozabe hianao, fa mijinja amin' izay tsy namafazanao, ary manangona amin' izay tsy nanahafanao, Vint enfin celui qui détenait un seul talent : "Seigneur, dit-il, j' ai appris à te connaître pour un homme âpre au gain : tu moissonnes où tu n' as point semé, et tu ramasses où tu n' as rien répandu.
Mat / Mt 25:25 And I was afraid, and went and hid thy talent in the earth: lo, there thou hast that is thine. dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin' ny tany; indry, lasanao ny anao. ka natahotra aho dia lasa naleviko tany anatin' ny tany ny talentanao: koa indro averiko aminao ny anao. Aussi, pris de peur, je suis allé enfouir ton talent dans la terre : le voici, tu as ton bien. "
Mat / Mt 25:26 His lord answered and said unto him, Thou wicked and slothful servant, thou knewest that I reap where I sowed not, and gather where I have not strawed: Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin' izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin' izay tsy nanahafako; Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady kamo, fantatrao fa mijinja amin' izay tsy namafazako aho, ary manangona amin' izay tsy nanahafako; Mais son maître lui répondit : "Serviteur mauvais et paresseux ! tu savais que je moissonne où je n' ai pas semé, et que je ramasse où je n' ai rien répandu ?
Mat / Mt 25:27 Thou oughtest therefore to have put my money to the exchangers, and then at my coming I should have received mine own with usury. koa tokony ho nampanàna ny volako tamin' ny mpanana vola ianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany. koa tokony ho napetrakao tany amin' ny mpampanana ny volako, ary rahefa tonga aho dia ho nandray ny ahy mban-janany. Eh bien ! tu aurais dû placer mon argent chez les banquiers, et à mon retour j' aurais recouvré mon bien avec un intérêt.
Mat / Mt 25:28 Take therefore the talent from him, and give it unto him which hath ten talents. Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo. Alao ary ny talenta folo; Enlevez-lui donc son talent et donnez-le à celui qui a les dix talents.
Mat / Mt 25:29 For unto every one that hath shall be given, and he shall have abundance: but from him that hath not shall be taken away even that which he hath. Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. fa izay manana no homena, ka hanam-be izy, fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin' izay ananany aza. Car à tout homme qui a, l' on donnera et il aura du surplus ; mais à celui qui n' a pas, on enlèvera ce qu' il a.
Mat / Mt 25:30 And cast ye the unprofitable servant into outer darkness: there shall be weeping and gnashing of teeth. Ary ario ho any amin' ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona dia ario any amin' ny maizina any: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Et ce propre à rien de serviteur, jetez-le dehors, dans les ténèbres : là seront les pleurs et les grincements de dents. "
Mat / Mt 25:31 When the Son of man shall come in his glory, and all the holy angels with him, then shall he sit upon the throne of his glory: Ary raha tonga ny Zanak' olona amin' ny voninahiny, arahin' ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin' ny seza fiandrianan' ny voninahiny Izy; Ary rahefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak' olona otronin' ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin' ny seza fiandrianan' ny voninahiny izy; " Quand le Fils de l' homme viendra dans sa gloire, escorté de tous les anges, alors il prendra place sur son trône de gloire.
Mat / Mt 25:32 And before him shall be gathered all nations: and he shall separate them one from another, as a shepherd divideth his sheep from the goats: ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin' ny osy; ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra, ary izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin' ny osy; Devant lui seront rassemblées toutes les nations, et il séparera les gens les uns des autres, tout comme le berger sépare les brebis des boucs.
Mat / Mt 25:33 And he shall set the sheep on his right hand, but the goats on the left. ary hametraka ny ondry eo amin' ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin' ny ankaviany. ny ondry moa hataony eo an-kavanany; ary ny osy kosa eo an-kaviany. Il placera les brebis à sa droite, et les boucs à sa gauche.
Mat / Mt 25:34 Then shall the King say unto them on his right hand, Come, ye blessed of my Father, inherit the kingdom prepared for you from the foundation of the world: Ary amin' izany ny Mpanjaka dia hilaza amin' izay eo amin' ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin' ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; Amin' izay ny Mpanjaka dia hilaza amin' izay eo an-kavanany hoe: Avia hianareo, ry nohasoavin' ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao. Alors le Roi dira à ceux de droite : "Venez, les bénis de mon Père, recevez en héritage le Royaume qui vous a été préparé depuis la fondation du monde.
Mat / Mt 25:35 For I was an hungred, and ye gave me meat: I was thirsty, and ye gave me drink: I was a stranger, and ye took me in: fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; Fa noana aho, nomenareo hanina, nangetaheta aho, nomenareo hosotroina; nivahiny aho, nampiantranoinareo; Car j' ai eu faim et vous m' avez donné à manger, j' ai eu soif et vous m' avez donné à boire, j'étais un étranger et vous m' avez accueilli,
Mat / Mt 25:36 Naked, and ye clothed me: I was sick, and ye visited me: I was in prison, and ye came unto me. tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo. tsy nitafy aho, notafianareo; narary aho, novangianareo, tany an-tranomaizina aho, notsidihinareo. nu et vous m' avez vêtu, malade et vous m' avez visité, prisonnier et vous êtes venus me voir. "
Mat / Mt 25:37 Then shall the righteous answer him, saying, Lord, when saw we thee an hungred, and fed thee? or thirsty, and gave thee drink? Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay? Ary dia hamaly azy ny marina ka hanao hoe: Tompo, oviana no hitanay noana hianao ka nomenay hanina; nangetaheta ka nomenay hosotroinao? Alors les justes lui répondront : "Seigneur, quand nous est-il arrivé de te voir affamé et de te nourrir, assoiffé et de te désaltérer,
Mat / Mt 25:38 When saw we thee a stranger, and took thee in? or naked, and clothed thee? Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay? Oviana no hitanay nivahiny hianao ka nampiantranoinay, na tsy nitafy ka notafinay? étranger et de t' accueillir, nu et de te vêtir,
Mat / Mt 25:39 Or when saw we thee sick, or in prison, and came unto thee? Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-tranomaizina, ka novangianay? Oviana no hitanay narary hianao na tany an-tranomaizina ka novangianay? malade ou prisonnier et de venir te voir ?"
Mat / Mt 25:40 And the King shall answer and say unto them, Verily I say unto you, Inasmuch as ye have done it unto one of the least of these my brethren, ye have done it unto me. Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin' ny anankiray amin' ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin' ny anankiray amin' ireto rahalahiko kely indrindra ireto hianareo, dia nanao izany tamiko. Et le Roi leur fera cette réponse : "En vérité je vous le dis, dans la mesure où vous l' avez fait à l' un de ces plus petits de mes frères, c' est à moi que vous l' avez fait. "
Mat / Mt 25:41 Then shall he say also unto them on the left hand, Depart from me, ye cursed, into everlasting fire, prepared for the devil and his angels: Ary dia hilaza indray amin' izay eo amin' ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin' ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an' ny devoly sy ny anjeliny; Ary dia hiteny amin' ireo eo an-kaviany kosa indray izy ka hanao hoe: Mialà amiko hianareo, ry voaozona, mba ho any amin' ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an' ny demony sy ny anjeliny. Alors il dira encore à ceux de gauche : "Allez loin de moi, maudits, dans le feu éternel qui a été préparé pour le diable et ses anges.
Mat / Mt 25:42 For I was an hungred, and ye gave me no meat: I was thirsty, and ye gave me no drink: fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo; Fa noana aho, tsy nomenareo hanina; nangetaheta aho, tsy nomenareo hosotroina; Car j' ai eu faim et vous ne m' avez pas donné à manger, j' ai eu soif et vous ne m' avez pas donné à boire,
Mat / Mt 25:43 I was a stranger, and ye took me not in: naked, and ye clothed me not: sick, and in prison, and ye visited me not. nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho, fa tsy mba novangianareo. nivahiny aho, tsy nampiantranoinareo; tsy nitafy aho, tsy notafianareo; narary aho sy tany an-tranomaizina, tsy novangianareo. j'étais un étranger et vous ne m' avez pas accueilli, nu et vous ne m' avez pas vêtu, malade et prisonnier et vous ne m' avez pas visité. "
Mat / Mt 25:44 Then shall they also answer him, saying, Lord, when saw we thee an hungred, or athirst, or a stranger, or naked, or sick, or in prison, and did not minister unto thee? Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay? Dia hamaly azy koa ireo hanao hoe: Tompo, oviana no hitanay noana hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary, na tany an-tranomaizina ka tsy namonjy anao izahay? Alors ceux-ci lui demanderont à leur tour : "Seigneur, quand nous est-il arrivé de te voir affamé ou assoiffé, étranger ou nu, malade ou prisonnier, et de ne te point secourir ?"
Mat / Mt 25:45 Then shall he answer them, saying, Verily I say unto you, Inasmuch as ye did it not to one of the least of these, ye did it not to me. Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin' ny anankiray amin' ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko. Fa hovaliany hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny tsy nanao izany tamin' ny anankiray amin' ireto kely indrindra ireto hianareo, dia tsy nanao izany tamiko koa. Alors il leur répondra : "En vérité je vous le dis, dans la mesure où vous ne l' avez pas fait à l' un de ces plus petits, à moi non plus vous ne l' avez pas fait. "
Mat / Mt 25:46 And these shall go away into everlasting punishment: but the righteous into life eternal. Ary ireo dia hiala ho any amin' ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin' ny fiainana mandrakizay. Dia ho any amin' ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin' ny fiainana mandrakizay. Et ils s' en iront, ceux-ci à une peine éternelle, et les justes à une vie éternelle. "

<-
->