Toko sy andininy momba Madiana

  Genesis Fiandohana na Genesisy Fiandohana na Jenezy La Genèse
...............
Gen / Jen 25.2 And she bare him Zimran, and Jokshan, and Medan, and Midian, and Ishbak, and Shuah. Dia niteraka an' i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin' i Abrahama izy. Ka izao no naterak' io taminy: Zamràna, Jeksàna, Madàna, Madiàna, Jesbaoka ary Soe. Elle lui enfanta Zimrân, Yoqshân, Medân, Madiân, Yishbaq et Shuah. -
...............
Gen / Jen 25.4 And the sons of Midian; Ephah, and Epher, and Hanoch, and Abidah, and Eldaah. All these were the children of Keturah. Ary ny zanakalahin' i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanak' i Ketora. Ny zanakalahin' i Madiàna dia Efà, Ofera, Henoka, Abidà, ary Eldao. - Ireo no zanakalahin' i Setorà rehetra. Fils de Madiân : Épha, Épher, Hanok, Abida, Eldaa. Tous ceux-là sont fils de Qetura.
...............
Gen / Jen 36.35 And Husham died, and Hadad the son of Bedad, who smote Midian in the field of Moab, reigned in his stead: and the name of his city was Avith. Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak' i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin' ny tany Moaba; ary Avita no anaran' ny tanànany. Maty Hosama, ary nanjaka nandimby azy Hadada, zanak' i Nadada, ilay nandresy an' i Madiana, tany amin' ny tanin' i Moaba; ary Avita no anaran' ny tanànany. Husham mourut et à sa place régna Hadad, fils de Bedad, qui battit les Madianites dans les champs de Moab, et sa ville s' appelait Avvit.

  Exodus Fanafahana na Eksodosy Fanafahana na Eksaody L'Exode
...............
Eks 2.15 Now when Pharaoh heard this thing, he sought to slay Moses. But Moses fled from the face of Pharaoh, and dwelt in the land of Midian: and he sat down by a well. Ary rehefa ren' i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an' i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan' i Farao ka nonina tany amin' ny tany Midiana; ny nipetraka teo anilan' ny lavaka fantsakana izy. Nony ren' i Faraona ny zavatra nitranga dia notadiaviny hovonoina Moizy, saingy nandositra ny tànan' i Faraona izy, ka nankany amin' ny tany Madiana, dia nipetraka teo anilan' ny lavaka fantsakana. Pharaon entendit parler de cette affaire et chercha à tuer Moïse. Moïse s' enfuit loin de Pharaon ; il se rendit au pays de Madiân et s' assit auprès d' un puits.
Eks 2.16 Now the priest of Midian had seven daughters: and they came and drew water, and filled the troughs to water their father' s flock. Ary ny mpisorona tao Midiana nanana zanaka fito mirahavavy; ary avy izy ireo, dia nanovo rano ka nameno ny tavin-drano hampisotroany ny ondry aman' osin-drainy. Nanan-janaka fito mirahavavy ny mpisorona tao Madiana; ary tonga nanovo rano izy ireo, dia nameno ny tavy hampisotroany ny biby fiompin-drainy. Or un prêtre de Madiân avait sept filles. Elles vinrent puiser et remplir les auges pour abreuver le petit bétail de leur père.
Eks 3.1 Now Moses kept the flock of Jethro his father in law, the priest of Midian: and he led the flock to the backside of the desert, and came to the mountain of God, even to Horeb. Ary Mosesy niandry ny ondry aman' osin' i Jetro rafozany, mpisorona tao Midiana, dia nitondra ny ondry aman' osy tany ankoatry ny efitra ka nankany Horeba, tendrombohitr' Andriamanitra. Ary Moizy niandry ny biby fiompin' i Jetrao, rafozany, mpisorona tao Madiana. Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby, ka tonga tany amin' ny tendrombohitr' Andriamanitra, tany Horeba, izy. Moïse faisait paître le petit bétail de Jéthro, son beau-père, prêtre de Madiân ; il l' emmena par-delà le désert et parvint à la montagne de Dieu, l' Horeb.
...............
Eks 4.19 And the Lord said unto Moses in Midian, Go, return into Egypt: for all the men are dead which sought thy life. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy tany Midiana: Mandehana miverina any Egypta, fa maty ny olona rehetra izay nitady ny ainao. Hoy Iaveh tamin' i Moizy, tany amin' ny tany Madiana: Mandehana miverina any Ejipta fa efa maty avokoa ireo nitady hamono aina anao. Yahvé dit à Moïse en Madiân : " Va, retourne en Égypte, car ils sont morts, tous ceux qui cherchaient à te faire périr. "
Eks 18.1 When Jethro, the priest of Midian, Moses' father in law, heard of all that God had done for Moses, and for Israel his people, and that the Lord had brought Israel out of Egypt; Ary efa ren' i Jetro, mpisorona tao Midiana, rafozan' i Mosesy, izay rehetra nataon' Andriamanitra ho an' i Mosesy sy ny Isiraely olony, dia ny nitondran' i Jehovah ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta. Ren' i Jetrao, mpisorona ao Madiana, rafozan' i Moizy, ny soa rehetra nataon' Andriamanitra tamin' i Moizy sy Israely vahoakany, ny namoahan' ny Tompo an' Israely tany Ejipta. Jéthro, prêtre de Madiân, beau-père de Moïse, entendit raconter tout ce que Dieu avait fait pour Moïse et pour Israël son peuple : comment Yahvé avait fait sortir Israël d'Égypte.

  Numbers Fanisana na Nomery Fanisana Les Nombres
...............
Nom / Fan 22.4 And Moab said unto the elders of Midian, Now shall this company lick up all that are round about us, as the ox licketh up the grass of the field. And Balak the son of Zippor was king of the Moabites at that time. Dia hoy izy tamin' ny loholon' ny Midianita: Ankehitriny dia hiraoka izay rehetra manodidina antsika ireto vahoaka be ireto tahaka ny firaokan' ny omby ny zava-maitso any an-tsaha. Ary Balaka, zanak' i Zipora, no mpanjakan' i Moaba tamin' izany andro izany. Hoy Moaba tamin' ny loholon' i Madiana: Holevonin' ity vahoaka be ity, toy ny fandevon' ny omby ny zava-maitso any an-tsaha izay rehetra manodidina antsika. Balàka, zanak' i Sefora no mpanjakan' i Moaba tamin' izay. il dit aux anciens de Madiân : " Voilà cette multitude en train de tout brouter autour de nous comme un boeuf broute l' herbe des champs. "Balaq, fils de Çippor, était roi de Moab en ce temps-là.
...............
Nom / Fan 22.7 And the elders of Moab and the elders of Midian departed with the rewards of divination in their hand; and they came unto Balaam, and spake unto him the words of Balak. Dia nandeha ny loholon' ny Moabita sy ny loholon' ny Midianita nitondra ny saran' ny fankatovana teny an-tànany; dia nankany amin' i Balama izy ka nilaza taminy izay tenin' i Balaka. Niainga ny loholon' i Moaba sy ny loholon' i Madiana, nataony an-tànana ny tambin' ilay mpanandro. Nony tonga tany amin' i Balaama izy ireo, dia nambarany azy ny tenin' i Balàka, Les anciens de Moab et les anciens de Madiân partirent, le salaire de l' augure en main. Ils vinrent trouver Balaam et lui transmirent les paroles de Balaq.
...............
Nom / Fan 25.15 And the name of the Midianitish woman that was slain was Cozbi, the daughter of Zur; he was head over a people, and of a chief house in Midian. Ary ny anaran' ny vehivavy Midianita izay novonoina dia Kosby, zanak' i Zora, lohan' ny fianakaviana tamin' ny Midianita. Ary Kozbì no anaran' ilay vehivavy Madianita novonoina, zanak' i Sora, filoham-poko, amin' ny fokom-pianakaviana, any Madiana izy. La femme, la Madianite qui avait été frappée, se nommait Kozbi, fille de Çur, qui était chef d' un clan, d' une famille, en Madiân.
...............
Nom / Fan 25.18 For they vex you with their wiles, wherewith they have beguiled you in the matter of Peor, and in the matter of Cozbi, the daughter of a prince of Midian, their sister, which was slain in the day of the plague for Peor' s sake. fa izy nandrafy anareo tamin' ny fanangoleny, izay nanangoleny anareo tamin' ny an' i Peora sy Kosby anabaviny, zanakavavin' ny andriandahy Midianita anankiray, izay novonoina tamin' ny andron' ny areti-mandringana noho ny an' i Peora. fa niseho ho fahavalonareo tamin' ny nataony anareo, raha nanangoly anareo tamin' ny hafetseny izy; ary Fogora no nentiny hanao izany, sy Kozbì koa, zanakavavin' ny lehibe anankiray any Madiana anabaviny, izay novonoina tamin' ny andron' ny loza nitranga noho ny amin' ny Fogora. Car ce sont eux qui vous ont pressés, par leurs artifices contre vous dans l' affaire de Péor, et dans l' affaire de Kozbi leur soeur, la fille d' un prince de Madiân, celle qui fut frappée le jour du fléau survenu à cause de l' affaire de Péor.
...............
Nom / Fan 31.3 And Moses spake unto the people, saying, Arm some of yourselves unto the war, and let them go against the Midianites, and avenge the Lord of Midian. Dia niteny tamin' ny olona Mosesy ka nanao hoe: Miomàna ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian' i Jehovah azy. Dia niteny tamin' ny vahoaka Moizy nanao hoe: Omàny hiantafika ny lehilahy sasany aminareo, ka aoka handroso hanafika an' i Madiana izy, mba hahatanteraka ny famalian' ny Tompo an' i Madiana. Moïse parla ainsi au peuple : " Que certains d' entre vous s' arment pour la campagne de Yahvé contre Madiân, pour payer à Madiân le salaire de la vengeance de Yahvé.
...............
Nom / Fan 31.7 And they warred against the Midianites, as the Lord commanded Moses; and they slew all the males. Dia niady tamin' ny Midianita ireo, araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy; ary namono ny lehilahy rehetra izy Nandroso hamely an' i Madiana izy, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy, ka novonoiny avokoa ny lahy rehetra. Ils firent campagne contre Madiân, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse, et tuèrent tous les mâles.
Nom / Fan 31.8 And they slew the kings of Midian, beside the rest of them that were slain; namely, Evi, and Rekem, and Zur, and Hur, and Reba, five kings of Midian: Balaam also the son of Beor they slew with the sword. ary ny mpanjakan' i Midiana dimy lahy dia matiny niaraka tamin' ireny koa, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba; ary Balama, zanak' i Beora, koa dia novonoiny tamin' ny sabatra. Afa-tsy izay maty an' ady dia novonoiny koa ny mpanjakan' i Madiana: Evy, Rekema, Sora, Hora, ary Rebe, mpanjakan' i Madiana dimy lahy. Novonoiny tamin' ny sabatra koa Balaama zanak' i Beora. En outre, ils tuèrent les rois de Madiân, Évi, Réqem, Çur, Hur et Réba, cinq rois madianites ; ils passèrent aussi au fil de l'épée Balaam, fils de Béor.

  Joshua Josoa Josoe Livre de Josué
...............
Jos 13.21 And all the cities of the plain, and all the kingdom of Sihon king of the Amorites, which reigned in Heshbon, whom Moses smote with the princes of Midian, Evi, and Rekem, and Zur, and Hur, and Reba, which were dukes of Sihon, dwelling in the country. ary ny tanàna rehetra any amin' ny tany lemaka sy ny fanjakana rehetra an' i Sihona, mpanjakan' ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona fa resin' i Mosesy izy sy ireo andrianan' ny Midianita, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba, andriana izay nanoa an' i Sihona ka nitoetra teo amin' ny tany. ny tanàna rehetra amin' ny tany lemaka sy ny fanjakana rehetra an' i Sehona mpanjakan' ny Amoreana, izay nanjaka tao Hesebona, fa resin' i Moizy izy sy ireo andrianan' i Madiana, dia Evì, Rekema, Sora, Hora, ary Rebe, mpandoa hetra amin' i Sehona, monina amin' ny tany. toutes les villes du plateau et tout le royaume de Sihôn, roi des Amorites, qui régna à Heshbôn; il avait été battu par Moïse ainsi que les princes de Madiân, Évi, Réqem, Çur, Hur, Réba, vassaux de Sihôn qui habitaient le pays.

  Judges Mpitsara Mpitsara Livre des Juges
Mts / Mpits 6.1 And the children of Israel did evil in the sight of the Lord: and the Lord delivered them into the hand of Midian seven years. Ary nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah ny Zanak' Isiraely, ka dia natolotr' i Jehovah ho eo an-tànan' ny Midiana fito taona izy; Ary nanao izay ratsy eo imason' ny Tompo ny zanak' Israely, ka natolotry ny Tompo ho eo an-tànan' i Madiana, fito taona. Les Israélites firent ce qui est mal aux yeux de Yahvé; Yahvé les livra pendant sept ans aux mains de Madiân,
Mts / Mpits 6.2 And the hand of Midian prevailed against Israel: and because of the Midianites the children of Israel made them the dens which are in the mountains, and caves, and strong holds. ary ny tanan' ny Midiana dia nahery tamin' ny Isiraely, ka ny tahony ny Midiana no nanamboaran' ny Zanak' Isiraely ireo fierena any an-tendrombohitra sy ireo zohy mbamin' ny fiarovana. Nahery tamin' Israely ny tànan' i Madiana. Noho ny amin' i Madiana no nanaovan' ny zanak' Israely ireo zohy any an-tendrombohitra, mbamin' ireo lava-bato sy ny havoana mimanda. et la main de Madiân se fit lourde sur Israël. C' est pour échapper à Madiân que les Israélites utilisèrent les crevasses des montagnes, les cavernes et les refuges.
Mts / Mpits 6.3 And so it was, when Israel had sown, that the Midianites came up, and the Amalekites, and the children of the east, even they came up against them; Ary rehefa namafy voa ny Isiraely, dia avy ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana ka niakatra hanafika azy. Rahefa namafy voa Israely, dia niakatra Madiana mbamin' i Amaleka ary ny zanaky ny Atsinanana ka nanafika azy. Chaque fois qu' Israël avait semé, alors Madiân montait, ainsi qu' Amaleq et les fils de l' Orient, ils montaient contre Israël
...............
Mts / Mpits 6.6 And Israel was greatly impoverished because of the Midianites; and the children of Israel cried unto the Lord. Ary dia nahantra indrindra ny Isiraely noho ny Midiana, ka nitaraina tamin' i Jehovah izy. Reraka loatra Israely noho ny amin' i Madiana, ka nitaraina tamin' ny Tompo ny zanak' Israely. Ainsi Madiân réduisit Israël à une grande misère et les Israélites crièrent vers Yahvé.
Mts / Mpits 6.7 And it came to pass, when the children of Israel cried unto the Lord because of the Midianites, Ary raha nitaraina tamin' i Jehovah ny Zanak' Isiraely noho ny Midiana, Nony nitaraina tamin' ny Tompo ny zanak' Israely, noho ny amin' i Madiana, Lorsque les Israélites eurent crié vers Yahvé à cause de Madiân,
...............
Mts / Mpits 6.11 And there came an angel of the Lord, and sat under an oak which was in Ophrah, that pertained unto Joash the Abiezrite: and his son Gideon threshed wheat by the winepress, to hide it from the Midianites. Dia tonga Ilay Anjelin' i Jehovah ka nipetraka teo ambanin' ny hazo terebinta teo Ofra, izay an' i Joasy Abiezrita; ary Gideona zanany nively vary tamin' ny fantàka teo anilan' ny famiazam-boaloboka mba hafeniny amin' ny Midiana. Ary tonga ny anjelin' ny Tompo ka nipetraka teo ambanin' ny terebinta tao Efrà, izay an' i Joasy, fianakavian' i Abiesera. Nively vary teo amin' ny fitoerana famiazam-boaloboka Jedeona zanany tamin' izay, mba hapetrany amin' izay tsy hahitan' i Madiana azy. L' Ange de Yahvé vint et s' assit sous le térébinthe d' Ophra, qui appartenait à Yoash d' Abiézer. Gédéon, son fils, battait le blé dans le pressoir pour le soustraire à Madiân,
...............
Mts / Mpits 6.13 And Gideon said unto him, Oh my Lord, if the Lord be with us, why then is all this befallen us? and where be all his miracles which our fathers told us of, saying, Did not the Lord bring us up from Egypt? but now the Lord hath forsaken us, and delivered us into the hands of the Midianites. Fa hoy Gideona taminy: Indrisy, Tompoko, raha momba anay Jehovah, nahoana no ozoin' izao rehetra izao izahay? Ary aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay nolazain' ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta va Jehovah? Fa ankehitriny efa nahafoy anay mihitsy Jehovah ka nanolotra anay eo an-tànan' ny Midiana. Indrisy Tompoko, raha momba anay Iaveh, ahoana no dia ianjeran' izao zavatra rehetra izao aminay? Ary aiza ny fahagagany rehetra izay tantarain' ny razanay aminay ataony hoe: Moa tsy nitondra anay niakatra avy tany Ejipta va Iaveh? Fa efa nafoin' ny Tompo mihitsy izahay ankehitriny; ary efa natolony eo an-tànan' i Madiana. Gédéon lui répondit : " Je t' en prie mon Seigneur! Si Yahvé est avec nous, d' où vient tout ce qui nous arrive ? Où sont tous ces prodiges que nous racontent nos pères quand ils disent : "Yahvé ne nous a-t-il pas fait monter d'Égypte ?" Et maintenant Yahvé nous a abandonnés, il nous a livrés au pouvoir de Madiân... "
Mts / Mpits 6.14 And the Lord looked upon him, and said, Go in this thy might, and thou shalt save Israel from the hand of the Midianites: have not I sent thee? Dia nitodika nijery azy Jehovah ka nanao hoe: Mandehana amin' izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely amin' ny tanan' ny Midiana; tsy efa naniraka anao va Aho? Dia nitodika azy Iaveh ka nanao hoe: Mandehana amin' izao hery anananao izao, ka afaho amin' ny tànan' i Madiana Israely; tsy efa nirahiko va hianao? Alors Yahvé se tourna vers lui et lui dit : " Va avec la force qui t' anime et tu sauveras Israël de la main de Madiân. N' est-ce pas moi qui t' envoie ? " -
...............
Mts / Mpits 6.16 And the Lord said unto him, Surely I will be with thee, and thou shalt smite the Midianites as one man. Dia hoy Jehovah taminy: Homba anao tokoa Aho, ka hamely ny Midiana toy ny famely olona iray monja ianao. Fa Iaveh nanao taminy hoe: Homba anao aho, ka horesenao toy ny olona iray monja i Madiana. Yahvé lui répondit : " Je serai avec toi et tu battras Madiân comme si c'était un seul homme. "
...............
Mts / Mpits 6.33 Then all the Midianites and the Amalekites and the children of the east were gathered together, and went over, and pitched in the valley of Jezreel. Ary ny Midiana rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana nivory, dia nita ka nitoby teny amin' ny tany lemaka Jezirela. Ary nivory Madiana sy Amaleka mbamin' ny zanaky ny Atsinanana rehetra, ka nita an' i Jordany izy, dia nitoby teo amin' ny tany lemaka Jezraela. Tout Madiân, Amaleq et les fils de l' Orient se réunirent et, ayant passé le Jourdain, ils vinrent camper dans la plaine de Yizréel.
Mts / Mpits 7.1 Then Jerubbaal, who is Gideon, and all the people that were with him, rose up early, and pitched beside the well of Harod: so that the host of the Midianites were on the north side of them, by the hill of Moreh, in the valley. Dia nifoha maraina koa Jerobala (Gideona izany) sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nitoby teo akaikin' ny loharano Haroda; ary ny tobin' ny Midiana kosa teo avarany, teo an-dohasaha anilan' ny havoana More. Vao maraina koa dia nifoha Jerobaala, dia Jedeona izany, mbamin' ny vahoaka rehetra izay tao aminy ka lasa teo ambonin' ny loharano tao Harada. Ny tobin' i Madiana kosa, dia teo avaratry ny an' i Jedeona akaikikaikin' ny havoana More amin' ny tany lemaka. Yerubbaal c' est-à-dire Gédéon se leva de grand matin ainsi que tout le peuple qui était avec lui, et il vint camper à En-Harod; le camp de Madiân se trouvait au nord du sien, au pied de la colline du Moré dans la vallée.
Mts / Mpits 7.2 And the Lord said unto Gideon, The people that are with thee are too many for me to give the Midianites into their hands, lest Israel vaunt themselves against me, saying, Mine own hand hath saved me. Ary hoy Jehovah tamin' i Gideona: Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy. Ary hoy Iaveh tamin' i Jedeona: Maro loatra ity vahoaka miaraka aminao, ka tsy hanolotra an' i Madiana ho eo an-tànany aho, fandrao hireharehan' Israely amiko izany hataony hoe: Ny tànako ihany no nahafaka ahy. Alors Yahvé dit à Gédéon : " Le peuple qui est avec toi est trop nombreux pour que je livre Madiân entre ses mains; Israël pourrait en tirer gloire à mes dépens, et dire : "C' est ma propre main qui m' a délivré! "
...............
Mts / Mpits 7.7 And the Lord said unto Gideon, By the three hundred men that lapped will I save you, and deliver the Midianites into thine hand: and let all the other people go every man unto his place. Ary hoy Jehovah tamin' i Gideona: Ny telon-jato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midiana eo an-tananao; fa aoka ny olona sisa rehetra samy hody any amin' ny fonenany avy. Ka hoy Iaveh tamin' i Jedeona: Amin' ireo telon-jato lahy nilelaka aireo, no hanafahako anareo, sy hanolorako an' i Madiana ho eo an-tànanao, fa ny vahoaka sisa rehetra aoka samy hody any aminy avy. Alors Yahvé dit à Gédéon : " C' est avec les trois cents hommes qui ont lapé l' eau que je vous sauverai et que je livrerai Madiân entre tes mains. Que tout le peuple s' en retourne chacun chez soi. "
Mts / Mpits 7.8 So the people took victuals in their hand, and their trumpets: and he sent all the rest of Israel every man unto his tent, and retained those three hundred men: and the host of Midian was beneath him in the valley. Ary ny olona nitondra vatsy sy ny anjomarany teny an-tànany; ary ny Isiraely sisa dia nalefany hody samy ho any amin' ny lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no nohazoniny; ary ny tobin' ny Midiana dia teo ambaniny teo an-dohasaha. Dia nakan' izy telon-jato lahy ny vatsin' ny vahoaka sy ny trompetrany, izay dia nalefan' i Jedeona hody ny olona sisa rehetra tamin' Israely, samy ho any an-dainy, fa notànany ny telon-jato lahy. Ny tobin' ny Madianita dia teo ambaniny teo amin' ny tany lemaka. Ils prirent les provisions du peuple et leurs cors, puis Gédéon renvoya tous les Israélites chacun sous sa tente, ne gardant que les trois cents. Le camp de Madiân se trouvait au-dessous du sien dans la vallée.
...............
Mts / Mpits 7.12 And the Midianites and the Amalekites and all the children of the east lay along in the valley like grasshoppers for multitude; and their camels were without number, as the sand by the sea side for multitude. Ary ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana rehetra dia nandry teny an-dohasaha, tahaka ny valala ny hamarony; ary tsy hita isa ny ramevany, tahaka ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony. Madiana sy Amaleka mbamin' ny zanaky ny Atsinanana dia niely eran' ny tany lemaka, maro toy ny valala, ary tsy hits isa ny ramevany, hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina. Madiân, Amaleq et tous les fils de l' Orient étaient déployés dans la vallée, aussi nombreux que des sauterelles; leurs chameaux étaient sans nombre, comme le sable sur le bord de la mer.
Mts / Mpits 7.13 And when Gideon was come, behold, there was a man that told a dream unto his fellow, and said, Behold, I dreamed a dream, and, lo, a cake of barley bread tumbled into the host of Midian, and came unto a tent, and smote it that it fell, and overturned it, that the tent lay along. Ary raha tonga tao Gideona, indro, nisy lehilahy nilaza nofy tamin' ny namany ka nanao hoe: Nanonofy aho, ka, indro, nisy mofo vary hordea nikodiadia ho eo amin' ny tobin' ny Midina ka nankamin' ny lay anankiray, dia nampiongana ka nampivadika azy, ka dia nipetraka teo ny lay. Tonga tao Jedeona ka indro nisy lehilahy anankiray nilaza nofy tamin' ny namany anankiray nanao hoe: Nanonofy aho, ka indro, nisy mofo orja nikodiadia teo amin' ny tobin' i Madiana, dia tonga hatrany amin' ny lay dia nandona azy ka nianjera io; nataony mitsingoloka ny lay, ka voazera teo. Gédéon vint donc et voici qu' un homme racontait un rêve à son camarade; il disait : " Voici le rêve que j' ai fait : une galette de pain d' orge roulait dans le camp de Madiân, elle atteignit la tente, elle la heurta et la renversa sens dessus dessous. "
Mts / Mpits 7.14 And his fellow answered and said, This is nothing else save the sword of Gideon the son of Joash, a man of Israel: for into his hand hath God delivered Midian, and all the host. Dia namaly ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa izany, fa ny sabatr' i Gideona, zanak' i Joasy, lehilahy Isiraelita, mihitsy: efa natolotr' Andriamanitra eo an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra. Dia izao no navalin' ilay namany nataony hoe: Tsy inona izany, fa ny sabatr' i Jedeona, zanak' i Joasy, lehilahy Israelita; efa voatolotr' Andriamanitra ho eo an-tànany mihitsy Madiana sy ny toby rehetra. Son camarade lui répondit : " Ce ne peut être que l'épée de Gédéon, fils de Yoash, l' Israélite. Dieu a livré entre ses mains Madiân et tout le camp. "
Mts / Mpits 7.15 And it was so, when Gideon heard the telling of the dream, and the interpretation thereof, that he worshipped, and returned into the host of Israel, and said, Arise; for the Lord hath delivered into your hand the host of Midian. Ary rehefa ren' i Gideona ny filàzany ny nofy sy ny heviny, dia nivavaka izy; ary niverina ho any amin' ny tobin' ny Isiraely izy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa efa natolotr' i Jehovah eo an-tananareo ny tobin' ny Midiana. Nony ren' i Jedeona ny filazany ny nofy sy ny heviny, dia niankohoka izy; ka nony tafaverina tany amin' ny tobin' Israely, dia hoy izy: Mitsangàna hianareo, fa efa natolotry ny Tompo eo an-tànantsika ny tobin' i Madiana. Quand il eut entendu le récit du songe et son explication, Gédéon se prosterna, puis il revint au camp d' Israël et dit : " Debout! car Yahvé a livré entre vos mains le camp de Madiân! "
...............
Mts / Mpits 7.23 And the men of Israel gathered themselves together out of Naphtali, and out of Asher, and out of all Manasseh, and pursued after the Midianites. Dia nivory ny lehilahy amin' ny Isiraely avy tamin' ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase rehetra ka nanenjika ny Midiana. Dia nivory ny lehilahy amin' Israely ny avy amin' i Neftalì sy amin' i Asera ary amin' i Manase rehetra ka nanenjika an' i Madiana. Les gens d' Israël se rassemblèrent, de Nephtali, d' Asher et de tout Manassé, et ils poursuivirent Madiân.
Mts / Mpits 7.24 And Gideon sent messengers throughout all mount Ephraim, saying, come down against the Midianites, and take before them the waters unto Bethbarah and Jordan. Then all the men of Ephraim gathered themselves together, and took the waters unto Bethbarah and Jordan. Ary Gideona naniraka olona hitety ny tany havoan' i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midina hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin' ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana. Ary nandefa iraka Jedeona any amin' ny tendrombohitra' i Efraima rehetra, nanao hoe: Midìna hianareo, ary tano alohan' izy ireo ny fitàna ny rano hatrany Betibera sy ny fitàna an' i Jordany. Gédéon envoya dans toute la montagne d'Éphraïm des messagers dire : " Descendez à la rencontre de Madiân et occupez avant eux les points d' eau jusqu'à Bet-Bara et le Jourdain. " Tous les gens d'Éphraïm se rassemblèrent et ils occupèrent les points d' eau jusqu'à Bet-Bara et le Jourdain.
Mts / Mpits 7.25 And they took two princes of the Midianites, Oreb and Zeeb; and they slew Oreb upon the rock Oreb, and Zeeb they slew at the winepress of Zeeb, and pursued Midian, and brought the heads of Oreb and Zeeb to Gideon on the other side Jordan. Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin' ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin' ny vatolampin' i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin' ny famiazam-boalobok' i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan' i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin' i Gideona tany an-dafin' i Jordana. Dia nosamborin' izy ireo ny andriana roa lahy tamin' i Madiana, Oreba sy Zeba, ary novonoiny Oreba tao amin' ny vaton' i Oreba, ary Zeba novonoiny tao amin' ny famiazam-boalobok' i Zeba. Nanenjika an' i Madiana izy, sy nitondra ny lohan' i Oreba sy Zeba tany amin' i Jedeona any an-dafin' i Jordany. Ils firent prisonniers les deux chefs de Madiân, Oreb et Zéeb, ils tuèrent Oreb au Rocher d' Oreb et Zéeb au Pressoir de Zéeb. Ils poursuivirent Madiân et ils apportèrent à Gédéon au-delà du Jourdain les têtes d' Oreb et de Zéeb.
Mts / Mpits 8.1 And the men of Ephraim said unto him, Why hast thou served us thus, that thou calledst us not, when thou wentest to fight with the Midianites? And they did chide with him sharply. Ary hoy ny lehilahy amin' ny Efraima tamin' i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao, no tsy nantsoinao izahay, raha nandeha hiady tamin' ny Midiana ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo. Ary hoy ny lehilahy amin' i Efraima tamin' i Jedeona: Mba ahoana kosa izany fomba nataonao taminay izany, no dia tsy niantso anay akory hianao raha handeha hiady amin' i Madiana? Sady nilàny sotasota izaitsizy izy. Or les gens d'Éphraïm dirent à Gédéon : " Quelle est donc cette manière d' agir envers nous : tu ne nous as pas convoqués lorsque tu es allé combattre Madiân ? " et ils le prirent violemment à partie.
...............
Mts / Mpits 8.3 God hath delivered into your hands the princes of Midian, Oreb and Zeeb: and what was I able to do in comparison of you? Then their anger was abated toward him, when he had said that. Teo an-tananareo no nanoloran' Andriamanitra ny andrianan' ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin' ny nataonareo? Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeran' ireo taminy. Fa teo an-tànanareo no natolotry ny Tompo ny andrianan' i Madiana, Oreba sy Zeba. Ka zinona no mety ho vitako raha oharina aminareo? Nony efa niteny izany izy, dia nionona ny hatezeran' izy ireo taminy. C' est entre vos mains que Dieu a livré les chefs de Madiân, Oreb et Zéeb. Qu' ai-je pu faire en comparaison de vous ? " Sur ces paroles, leur emportement contre lui se calma.
...............
Mts / Mpits 8.5 And he said unto the men of Succoth, Give, I pray you, loaves of bread unto the people that follow me; for they be faint, and I am pursuing after Zebah and Zalmunna, kings of Midian. Ary hoy izy tamin' ny mponina tao Sokota: Masìna ianareo, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy, fa reraka izy, ary izaho manenjika an' i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan' ny Midiana. Ary hoy izy tamin' ny mponina ao Sokota. Raha sitrakareo mba omeo mofo ny vahoaka miaraka amiko fa reraka izy ireo, ary izaho manenjika an' i Zebea sy Salmanà, mpanjakan' i Madiana. Il dit donc aux gens de Sukkot : " Donnez, je vous prie, des galettes de pain à la troupe qui me suit, car elle est harassée, et je suis à la poursuite de Zébah et de Çalmunna, rois de Madiân. "
...............
Mts / Mpits 8.12 And when Zebah and Zalmunna fled, he pursued after them, and took the two kings of Midian, Zebah and Zalmunna, and discomfited all the host. Dia nandositra Zebaha sy Zalmona, ary nanenjika azy ny Isiraely ka nisambotra ny mpanjaka roa tamin' ny Midiana, dia Zebaha sy Zalmona, fa efa nampihorohoroiny avokoa ny toby rehetra. Ka vaky nandositra Zebea sy Salamanà, nefa nenjehiny ka azony izy roa lahy mpanjakan' i Madiana, Zebea sy Salmanà, ary nampifanaritahany avokoa ny toby manontolo. Zébah et Çalmunna s' enfuirent. Il les poursuivit et il fit prisonniers les deux rois de Madiân, Zébah et Çalmunna. Quant à l' armée, il la mit en déroute.
...............
Mts / Mpits 8.22 Then the men of Israel said unto Gideon, Rule thou over us, both thou, and thy son, and thy son' s son also: for thou hast delivered us from the hand of Midian. Dia hoy ny lehilahy amin' ny Isiraely tamin' i Gideona: Manapaha anay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin' ny tanan' ny Midiana ianao. Dia hoy ny lehilahy amin' Israely tamin' i Jedeona: Aoka hanjaka aminay hianao sy ny zanakao ary ny zafinao, satria hianao no nanafaka anay tamin' ny tànan' i Madiana. Les gens d' Israël dirent à Gédéon : " Règne sur nous, toi, ton fils et ton petit-fils, puisque tu nous as sauvés de la main de Madiân. "
...............
Mts / Mpits 8.26 And the weight of the golden earrings that he requested was a thousand and seven hundred shekels of gold; beside ornaments, and collars, and purple raiment that was on the kings of Midian, and beside the chains that were about their camels' necks. Ary ny lanjan' ny kavim-bolamena nangatahiny dia sekely volamena fiton-jato amby arivo, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana sy ny kavina voavola sy ny lamba volomparasy, izay teny amin' ireo mpanjakan' ny Midiana, ary ny rojo, izay teny amin' ny vozon' ny ramevany. Ary nisy fiton-jato amby arivo sikla ny lanjan' ny pera-bolamena nangatahin' i Jedeona afa-tsy ny sarim-bolan-tsinana aman-kavina sy ny fitafiana jaky nentin' ny mpanjakan' i Madiana, mbamin' ny fehivozona teny amin' ny vozon-dramevany. Le poids des anneaux d' or qu' il avait demandés s'éleva à mille sept cents sicles d' or, sans compter les croissants, les pendants d' oreilles et les vêtements de pourpre que portaient les rois de Madiân, sans compter non plus les colliers qui étaient au cou de leurs chameaux.
...............
Mts / Mpits 8.28 Thus was Midian subdued before the children of Israel, so that they lifted up their heads no more. And the country was in quietness forty years in the days of Gideon. Dia resy teo anoloan' ny Zanak' Isiraely ny Midiana ka tsy nahatraka ny lohany intsony. Dia nandry efa-polo taona ny tany tamin' ny andron' i Gideona. Dia voaetry teo anatrehan' ny zanak' Israely Madiana, fa tsy nahatraka ny lohany intsony, ka nandry efapolo taona ny tany tamin' ny andron' i Jedeona. Ainsi Madiân fut abaissé devant les Israélites. Il ne releva plus la tête et le pays fut en repos pendant quarante ans, aussi longtemps que vécut Gédéon.
...............
Mts / Mpits 9.17 (For my father fought for you, and adventured his life far, and delivered you out of the hand of Midian: (fa ny raiko niady ho anareo sady nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namonjy anareo tamin' ny tanan' ny Midiana; fa niady ho anareo ny raiko, nanao vy very ny ainy ka nanafaka anareo tamin' ny tànan' i Madiana izy; alors que mon père a combattu pour vous, qu' il a exposé sa vie, qu' il vous a délivrés de la main de Madiân,

  1st Book of Kings 1 Mpanjaka Mpanjaka I 1er Livre des Rois
...............
1Mp 11.18 And they arose out of Midian, and came to Paran: and they took men with them out of Paran, and they came to Egypt, unto Pharaoh king of Egypt; which gave him an house, and appointed him victuals, and gave him land. Ary niainga niala tany Midiana ireo ka tonga tany Parana; dia naka olona avy tany Parana homba azy izy ka nankany Egypta ho any amin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, izay nanome azy trano sy tany sady nilaza hanome hanina azy koa. Nony niala tany Madiana izy, dia nankany Farana, ary naka olona avy tao Farana hiaraka aminy izy ireo, dia tonga tany Ejipta ao amin' i Faraona mpanjakan' i Ejipta, ka nomen' izy io trano Adada, namononany fivelomana, sady notolorany tany. Ils partirent de Madiân et arrivèrent à Parân ; ils prirent avec eux des hommes de Parân et allèrent en Égypte auprès de Pharaon, roi d'Égypte, qui lui donna une maison, assura son entretien et lui assigna une terre.

  1st Book of Chronicles 1 Tantara Tantara I 1er Livre des Chroniques
...............
1Tt / 1Tan 1.32 Now the sons of Keturah, Abraham' s concubine: she bare Zimran, and Jokshan, and Medan, and Midian, and Ishbak, and Shuah. And the sons of Jokshan; Sheba, and Dedan. Ary ny zanakalahin' i Ketora, vaditsindranon' i Abrahama. Izy no niteraka an' i Zimrama sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha. Ary ny zanakalahin' i Joksana dia Sheba sy Dedana. Zanakalahin' i Setorà, vaditsindranon' i Abrahama: ny naterany dia Zamrama, Jeksàna, Madàna, Madiana, Jesbaoka, ary Soe. Zanak' i Jeksàna: Sabà sy Dadàna. Fils de Qetura, concubine d' Abraham. Elle enfanta Zimrân, Yoqshân, Medân, Madiân, Yishbaq et Shuah. Fils de Yoqshân : Sheba et Dedân.
1Tt / 1Tan 1.33 And the sons of Midian; Ephah, and Epher, and Henoch, and Abida, and Eldaah. All these are the sons of Keturah. Ary ny zanakalahin' i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanakalahin' i Ketora. Zanak' i Madiana: Efah, Efera, Henaoka, Abidà, ary Eldaà. Izy rehetra ireo dia zanak' i Setorà. Fils de Madiân : Épha, Épher, Hanok, Abida, Eldaa. Tous ceux-là sont fils de Qetura.
...............
1Tt / 1Tan 1.46 And when Husham was dead, Hadad the son of Bedad, which smote Midian in the field of Moab, reigned in his stead: and the name of his city was Avith. Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak' i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin' ny tany Moaba; ary Avita no anaran' ny tanànany. Maty Hosama, ka Hadada zanak' i Badada no nanjaka nandimby azy; izy no nandresy an' i Madiana tany amin' ny tanin' i Moaba. Husham mourut et à sa place régna Hadad, fils de Bedad, qui battit les Madianites dans les Champs de Moab; sa ville s' appelait Avvit.

      Jodita Livre de Judith
...............
Jdt 2.16 Nentiny ho babo avokoa ny taranak' i Madiana, norobainy daholo ny hareny ary novonoiny tamin' ny sabatra izay rehetra nanohitra azy. Il les disposa en formation normale de combat.

  The Psalms Salamo Salamo Les Psaumes
...............
Sal 83.9 Do unto them as unto the Midianites; as to Sisera, as to Jabin, at the brook of Kison: Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an' i Sisera sy Jabina teo amin' ny ony Kisona; Asora koa mikambana amin' izy ireo, ka manampy ny taranak' i Lota. - Selà. même Assur s' est joint à eux, il prête main-forte aux fils de Lot.
Sal 83.10 Which perished at Endor: they became as dung for the earth. Maty tany En-dora ireo; tonga zeziky ny tany izy. Ataovy tahaka an' i Madiana ireo, tahaka an' i Sisara, mbamin' i Jabina teo amin' ny ranon' i Sisona. Fais d' eux comme de Madiân et de Sisera, comme de Yabîn au torrent de Qishôn;

  Book of Isaiah Isaia Izaia Livre d'Isaïe
...............
Isa / Iz 9.3 Thou hast multiplied the nation, and not increased the joy: they joy before thee according to the joy in harvest, and as men rejoice when they divide the spoil. Fa ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; Izay tsorakazon' ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin' ny andro namelezana ny Midiana. Satria ny jioga nanavesatra azy, ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny, ny tehin' ny mpitoroka azy, dia samy notapahinao, toy ny tamin' ny andron' i Madiana. Car le joug qui pesait sur elle, la barre posée sur ses épaules, le bâton de son oppresseur, tu les as brisés comme au jour de Madiân.
...............
Isa / Iz 10.26 And the Lord of hosts shall stir up a scourge for him according to the slaughter of Midian at the rock of Oreb: and as his rod was upon the sea, so shall he lift it up after the manner of Egypt. Eny, Jehovah, Tompon' ny maro, hamely azy amin' ny kotopia, tahaka ny namelezana ny Midiana teo am-batolampy Oreba; ary ny tsorakazony haingainy eny ambonin' ny ranomasina ka hatsangany tahaka ny fanao tany Egypta. Hanainga kotopia hamelezana azy Iavehn' ny tafika, toy ny namelezany an' i Madiana, teo amin' ny vatolampin' i Oreba, ary toy ny tehiny teny ambony ranomasina; ary hoaingainy izany toy ny taloha tany Ejipta. Yahvé Sabaot va brandir contre lui un fouet, comme il frappa Madiân au rocher d' Oreb; il va brandir son bâton contre la mer, comme il l' a levé sur le chemin d'Égypte.
...............
Isa / Iz 60.6 The multitude of camels shall cover thee, the dromedaries of Midian and Ephah; all they from Sheba shall come: they shall bring gold and incense; and they shall shew forth the praises of the Lord. Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an' i Jehovah no teny mahafaly hambarany. Ho rakotry ny angamenavava zavon-tany mbamin-drameva avy any Madiana sy Efah hianao; ny any Saba rehetra ho avy, hitondra volamena sy emboka manitra, ary hitory ny fiderana an' ny Tompo. Des multitudes de chameaux te couvriront, des jeunes bêtes de Madiân et d'Épha; tous viendront de Saba, apportant l' or et l' encens et proclamant les louanges de Yahvé.

  Book of Habakkuk Habakòka Habakòka Livre d'Habaquq
...............
Hab 3.7 I saw the tents of Cushan in affliction: and the curtains of the land of Midian did tremble. Mahita ny lain' i Kosana azom-pahoriana aho, Sady mipararetra ny ambain-dain' ny tany Midiana. Hitako latsaka am-pahoriana, ny lain' i Kosana, ary mihorohoro ny lay amin' ny tanin' i Moaba. J' ai vu les tentes de Kusnan frappées d'épouvante, les pavillons du pays de Madiân sont pris de tremblements.

  The Acts of the Apostles Asa Asa Les Actes des Apôtres
...............
Asa 7.29 Then fled Moses at this saying, and was a stranger in the land of Madian, where he begat two sons. Ary tamin' izany teny izany dia nandositra Mosesy ka nivahiny tany amin' ny tany Midiana, ary tany no niterahany zanaka roa lahy. Dia nandositra Moizy nony nahare izany teny izany, ka nivahiny tany amin' ny tany Madiana, ary niteraka zanaka roa lahy tany. A ces mots, Moïse s' enfuit et alla se réfugier au pays de Madian, où il eut deux fils.