<-
->

Eks 3:1 Now Moses kept the flock of Jethro his father in law, the priest of Midian: and he led the flock to the backside of the desert, and came to the mountain of God, even to Horeb. Ary Mosesy niandry ny ondry aman' osin' i Jetro rafozany, mpisorona tao Midiana, dia nitondra ny ondry aman' osy tany ankoatry ny efitra ka nankany Horeba, tendrombohitr' Andriamanitra. Ary Moizy niandry ny biby fiompin' i Jetrao, rafozany, mpisorona tao Madiana. Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby, ka tonga tany amin' ny tendrombohitr' Andriamanitra, tany Horeba, izy. Moïse faisait paître le petit bétail de Jéthro, son beau-père, prêtre de Madiân ; il l' emmena par-delà le désert et parvint à la montagne de Dieu, l' Horeb.
Eks 3:2 And the angel of the Lord appeared unto him in a flame of fire out of the midst of a bush: and he looked, and, behold, the bush burned with fire, and the bush was not consumed. Ary Ilay Anjelin' i Jehovah niseho taminy teo anaty lelafo teo amin' ny roimemy anankiray; dia nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana. Ny anjelin' ny Tompo niseho taminy, amin' ny endriky ny lelafo, teo afovoan' ny zava-maniry milobolobo. Hitan' i Moizy fa indro nirehitra avokoa ilay zava-maniry milobolobo, nefa tsy levona ilay zava-maniry milobolobo. L' Ange de Yahvé lui apparut, dans une flamme de feu, du milieu d' un buisson. Moïse regarda : le buisson était embrasé mais le buisson ne se consumait pas.
Eks 3:3 And Moses said, I will now turn aside, and see this great sight, why the bush is not burnt. Ary hoy Mosesy: Hivily kely aho ka hizaha io fahitana lehibe io, hahafantarako izay tsy ahalevonan' ny roimemy. Ka hoy Moizy: Ndeha hiolaka aho handinika io fahitana lehibe io, sy hizaha izay tsy mahalevona ny zava-maniry milobolobo. Moïse dit : " Je vais faire un détour pour voir cet étrange spectacle, et pourquoi le buisson ne se consume pas. "
Eks 3:4 And when the Lord saw that he turned aside to see, God called unto him out of the midst of the bush, and said, Moses, Moses. And he said, Here am I. Ary rehefa hitan' i Jehovah fa nivily hizaha izy, dia niantso azy tao afovoan' ny roimemy Andriamanitra ka nanao hoe: Ry Mosesy, ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho. Hitan' ny Tompo fa niolaka hijery izy; dia niantso azy Andriamanitra teo afovoan' ny zava-maniry milobolobo, nanao hoe: Ry Moizy! ry Moizy! Ka hoy ny navaliny: Inty aho. Yahvé vit qu' il faisait un détour pour voir, et Dieu l' appela du milieu du buisson. " Moïse, Moïse ", dit-il, et il répondit : " Me voici. "
Eks 3:5 And he said, Draw not nigh hither: put off thy shoes from off thy feet, for the place whereon thou standest is holy ground. Ary hoy Izy: Aza manakaiky etý; esory ny kapanao amin' ny tongotrao, fa tany masina io ijanonanao io. Dia hoy Andriamanitra: Aza manakaiky eto: esory ny kapa amin' ny tongotrao, fa tany masina io. Il dit : " N' approche pas d' ici, retire tes sandales de tes pieds car le lieu où tu te tiens est une terre sainte. "
Eks 3:6 Moreover he said, I am the God of thy father, the God of Abraham, the God of Isaac, and the God of Jacob. And Moses hid his face; for he was afraid to look upon God. Dia hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr' i Abrahama sy Andriamanitr' Isaka ary Andriamanitr' i Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa natahotra hijery an' Andriamanitra izy. Ary hoy koa izy: Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr' i Abrahama, Andriamanitr' Isaaka ary Andriamanitr' i Jakoba. Nosaronan' i Moizy ny tavany fa natahotra ny hijery an' Andriamanitra izy. Et il dit : " Je suis le Dieu de tes pères, le Dieu d' Abraham, le Dieu d' Isaac et le Dieu de Jacob. " Alors Moïse se voila la face, car il craignait de fixer son regard sur Dieu.
Eks 3:7 And the Lord said, I have surely seen the affliction of my people which are in Egypt, and have heard their cry by reason of their taskmasters; for I know their sorrows; Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian' ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon' ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony; Ary hoy Iaveh hoe: Efa hitako ny fahorian' ny vahoakako izay any Ejipta ary henoko ny fitarainany noho ny afitsok' ireo mpamoritra azy: fa fantatro ny fijaliany. Yahvé dit : " J' ai vu, j' ai vu la misère de mon peuple qui est en Égypte. J' ai entendu son cri devant ses oppresseurs ; oui, je connais ses angoisses.
Eks 3:8 And I am come down to deliver them out of the hand of the Egyptians, and to bring them up out of that land unto a good land and a large, unto a land flowing with milk and honey; unto the place of the Canaanites, and the Hittites, and the Amorites, and the Perizzites, and the Hivites, and the Jebusites. dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin' ny tanan' ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin' izany tany izany ho any amin' izay tany soa sy malalaka, dia any amin' izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin' ny tanin' ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita. Ka hidina aho hamonjy azy amin' ny tànan' ny Ejipsiana, hitondra azy miakatra avy amin' ity tany ity, ho any amin' ny tany mahavokatra sy malalaka, tany tondra-dronono aman-tantely, dia any amin' ny tany onenan' ny Kananeana, ny Heteana, ny Amoreana, ny Ferezeana, ny Heveana ary ny Jeboseana. Je suis descendu pour le délivrer de la main des Égyptiens et le faire monter de cette terre vers une terre plantureuse et vaste, vers une terre qui ruisselle de lait et de miel, vers la demeure des Cananéens, des Hittites, des Amorites, des Perizzites, des Hivvites et des Jébuséens.
Eks 3:9 Now therefore, behold, the cry of the children of Israel is come unto me: and I have also seen the oppression wherewith the Egyptians oppress them. Ary ankehitriny, indro, ny fitarainan' ny Zanak' Isiraely dia efa mby atý amiko, sady efa hitako koa ny fahoriana izay ampahorian' ny Egyptiana azy. Ary ankehitriny dia indro fa tafasondrotra hatraty amiko ny fitarainan' ny zanak' Israely, ary efa hitako ny fahoriana atambesatry ny Ejipsiana amin' izy ireo. Maintenant, le cri des Israélites est venu jusqu'à moi, et j' ai vu l' oppression que font peser sur eux les Égyptiens.
Eks 3:10 Come now therefore, and I will send thee unto Pharaoh, that thou mayest bring forth my people the children of Israel out of Egypt. Koa avia ankehitriny ianao hirahiko ho any amin' i Farao hitondra ny Zanak' Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta. Koa handeha hianao amin' izao, irahiko ho any amin' i Faraona, hitondranao mivoaka ny zanak' Israely vahoakako. Maintenant va, je t' envoie auprès de Pharaon, fais sortir d'Égypte mon peuple, les Israélites. "
Eks 3:11 And Moses said unto God, Who am I, that I should go unto Pharaoh, and that I should bring forth the children of Israel out of Egypt? Fa hoy Mosesy tamin' Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin' i Farao sy hitondra ny Zanak' Isiraely hivoaka avy any Egypta? Fa hoy Moizy tamin' Andriamanitra: Zinona moa aho no hankany amin' i Faraona sy hitondra ny zanak' Israely hivoaka avy any Ejipta? Moïse dit à Dieu : " Qui suis-je pour aller trouver Pharaon et faire sortir d'Égypte les Israélites ? "
Eks 3:12 And he said, Certainly I will be with thee; and this shall be a token unto thee, that I have sent thee: When thou hast brought forth the people out of Egypt, ye shall serve God upon this mountain. Ary hoy Izy: Homba anao tokoa Aho; ary izao no famantarana ho anao fa Izaho no efa naniraka anao; rehefa entinao mivoaka avy any Egypta ny olona, dia hanompo an' Andriamanitra eto amin' ity tendrombohitra ity ianareo. Dia hoy Andriamanitra: Homba anao aho; ary izao no famantarana fa izaho no naniraka anao: Rahefa tafavoakanao an' i Ejipta ny vahoaka, dia hanompo an' Andriamanitra eto amin' ity tendrombohitra ity hianareo. Dieu dit : " Je serai avec toi, et voici le signe qui te montrera que c' est moi qui t' ai envoyé. Quand tu feras sortir le peuple d'Égypte, vous servirez Dieu sur cette montagne.
Eks 3:13 And Moses said unto God, Behold, when I come unto the children of Israel, and shall say unto them, The God of your fathers hath sent me unto you; and they shall say to me, What is his name? what shall I say unto them? Ary hoy Mosesy tamin' Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin' ny Zanak' Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atý aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy? Ary hoy Moizy tamin' Andriamanitra: Izao àry, dia ho any amin' ny zanak' Israely aho, ka hilaza aminy hoe: irahin' ny Andriamanitry ny razanareo aho ho aty aminareo. Raha manontany izay anarany izy, dia ahoana no havaliko azy ireo? Moïse dit à Dieu : " Voici, je vais trouver les Israélites et je leur dis : "Le Dieu de vos pères m' a envoyé vers vous. " Mais s' ils me disent : "Quel est son nom ?", que leur dirai-je ? "
Eks 3:14 And God said unto Moses, I Am That I Am: and he said, Thus shalt thou say unto the children of Israel, I AM hath sent me unto you. Ary hoy Andriamanitra tamin' i Mosesy: Izaho, Izay Izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin' ny Zanak' Isiraely: Izaho Izay Izy no efa naniraka ahy ho atý aminareo. Hoy Andriamanitra tamin' i Moizy: Izaho no Ilay misy. Izany, hoy izy, no havalinao ny zanak' Israely: Ilay misy no maniraka ahy ho aty aminareo. Dieu dit à Moïse : " Je suis celui qui est. " Et il dit : " Voici ce que tu diras aux Israélites : "Je suis" m' a envoyé vers vous. "
Eks 3:15 And God said moreover unto Moses, Thus shalt thou say unto the children of Israel, the Lord God of your fathers, the God of Abraham, the God of Isaac, and the God of Jacob, hath sent me unto you: this is my name for ever, and this is my memorial unto all generations. Ary hoy koa Andriamanitra tamin' i Mosesy: Izao no holazainao amin' ny Zanak' Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr' i Abrahama sy Andriamanitr' i Isaka ary Andriamanitr' i Jakoba, no efa naniraka ahy ho atý aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin' ny taranaka fara mandimby. Dia hoy koa Andriamanitra tamin' i Moizy: Lazao amin' ny zanak' Israely hoe: Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr' i Abrahama, Andriamanitr' Isaaka, Andriamanitr' i Jakoba, no maniraka ahy ho aty aminareo. Fa izany no anarako mandrakizay; izany no hahatsiarovana ahy hatramin' ny taranaka fara mandimby. Dieu dit encore à Moïse : " Tu parleras ainsi aux Israélites : "Yahvé, le Dieu de vos pères, le Dieu d' Abraham, le Dieu d' Isaac et le Dieu de Jacob m' a envoyé vers vous. C' est mon nom pour toujours, c' est ainsi que l' on m' invoquera de génération en génération.
Eks 3:16 Go, and gather the elders of Israel together, and say unto them, The Lord God of your fathers, the God of Abraham, of Isaac, and of Jacob, appeared unto me, saying, I have surely visited you, and seen that which is done to you in Egypt: Mandehana, dia angòny ny loholon' ny Isiraely, ka lazao aminy hoe: Efa niseho tamiko Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka nanao hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny anaovana anareo atý Egypta; Mandehana, vorio ny loholon' Israely, ka lazao aminy hoe: Niseho tamiko Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba, nanao hoe: Namangy anareo aho, ary nahita ny anaovan' ny olona anareo any Ejipta. " Va, réunis les anciens d' Israël et dis-leur : "Yahvé, le Dieu de vos pères, m' est apparu - le Dieu d' Abraham, d' Isaac et de Jacob - et il m' a dit : Je vous ai visités et j' ai vu ce qu' on vous fait en Égypte,
Eks 3:17 And I have said, I will bring you up out of the affliction of Egypt unto the land of the Canaanites, and the Hittites, and the Amorites, and the Perizzites, and the Hivites, and the Jebusites, unto a land flowing with milk and honey. ary hoy Izaho: Hitondra anareo hiakatra Aho ho afaka amin' ny fahoriana atý Egypta ho any amin' ny tanin' ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ho any amin' izay tany tondra-dronono sy tantely. Ka hoy aho: Hoentiko hianareo hiakatra avy any Ejipta, izay hamoretana anareo, ho any amin' ny tanin' ny Kananeana, ny Heteana, ny Amoreana, ny Ferezeana, ny Heveana ary ny Jeboseana, any amin' ny tany tondra-dronono aman-tantely. alors j' ai dit : Je vous ferai monter de l' affliction d'Égypte vers la terre des Cananéens, des Hittites, des Amorites, des Perizzites, des Hivvites et des Jébuséens, vers une terre qui ruisselle de lait et de miel. "
Eks 3:18 And they shall hearken to thy voice: and thou shalt come, thou and the elders of Israel, unto the king of Egypt, and ye shall say unto him, The Lord God of the Hebrews hath met with us: and now let us go, we beseech thee, three days' journey into the wilderness, that we may sacrifice to the Lord our God. Dia hihaino ny feonao izy; ary hankao amin' ny mpanjakan' i Egypta ianao sy ny loholon' ny Isiraely ka hilaza aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, efa nihaona taminay; ary ankehitriny, trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an' i Jehovah Andriamanitray. Fa hihaino ny teninao izy ireo; dia handeha hianao sy ny loholon' Israely ho any amin' ny mpanjakan' i Ejipta, ka hanao aminy hoe: Niseho taminay Iaveh ilay Andriamanitry ny Hebrio. Koa amin' izao avelao izahay handeha lalan-kateloana any an' efitra, hanolotra sorona amin' ny Tompo, Andriamanitray. Ils écouteront ta voix et vous irez, toi et les anciens d' Israël, trouver le roi d'Égypte et vous lui direz : "Yahvé, le Dieu des Hébreux, est venu à notre rencontre. Toi, permets-nous d' aller à trois jours de marche dans le désert pour sacrifier à Yahvé notre Dieu. "
Eks 3:19 And I am sure that the king of Egypt will not let you go, no, not by a mighty hand. Kanefa Izaho mahalala fa tsy havelan' ny mpanjakan' i Egypta handeha ianareo, tsia, na dia amin' ny tanana mahery aza. Fantatro ihany fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan' i Ejipta, raha tsy amin' ny tànana mahery; Je sais bien que le roi d'Égypte ne vous laissera aller que s' il y est contraint par une main forte.
Eks 3:20 And I will stretch out my hand, and smite Egypt with all my wonders which I will do in the midst thereof: and after that he will let you go. Dia haninjitra ny tanako Aho ka hamely an' i Egypta amin' ny fahagagana rehetra izay hataoko eo aminy; ary rehefa afaka izany, dia vao handefa anareo izy. nefa haninjitra ny tànako aho hamely an' i Ejipta, amin' ny fahagagana isan-karazany hataoko eo aminy, ka havelany handeha hianareo rahefa afaka izany. Aussi j'étendrai la main et je frapperai l'Égypte par les merveilles de toute sorte que j' accomplirai au milieu d' elle ; après quoi, il vous laissera partir.
Eks 3:21 And I will give this people favour in the sight of the Egyptians: and it shall come to pass, that, when ye go, ye shall not go empty. Ary hataoko mahita fitia eo imason' ny Egyptiana ity firenena ity, ka raha handeha ianareo, dia tsy mba handeha maina; Hataoko mahita fitia eo imason' ny Ejipsiana ity vahoaka ity, any ka tsy hitondra tanam-polo hianareo, rahefa handeha. " Je ferai gagner à ce peuple la faveur des Égyptiens, et quand vous partirez, vous ne partirez pas les mains vides.
Eks 3:22 But every woman shall borrow of her neighbour, and of her that sojourneth in her house, jewels of silver, and jewels of gold, and raiment: and ye shall put them upon your sons, and upon your daughters; and ye shall spoil the Egyptians. fa ny vehivavy samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin' ny miray monina aminy sy amin' izay mivahiny ao an-tranony; dia hataonareo amin' ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy izany, ka dia hofoananareo ny Egyptiana. Samy hangataka fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fitafiana, amin' izay mifanolo-body rindrina aminy sy amin' izay miray trano aminy avy, ny vehivavy, hataonareo amin' ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy; ka dia hambabo an' i Ejipta hianareo. La femme demandera à sa voisine et à celle qui séjourne dans sa maison des objets d' argent, des objets d' or et des vêtements. Vous les ferez porter à vos fils et à vos filles et vous en dépouillerez les Égyptiens.

<-
->