|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : andihizana

Ohabolana 1Dihizina am-boalohany, hoatry ny fanambadian-dratsy, ka itomaniana am-parany. [2.415 #5531]
Dihizina am-boalohany, ohatra ny fanambadian-dratsy, ka itomaniana am-parany. [2.653]
Dihizina am-boalohany toy ny fanambadian-dratsy, fa itomaniana am-parany. [2.558 #999]
Ny fanambadiana andihizana am-boalohany, ary itomaniana no farany. [2.415 #1215]
Ny fanambadiana andihizana am-boalohany fa isahiranana am-parany. [2.558 #192]
Dikanteny frantsayC' est comme dans les mariages malheureux : on commence par la danse et on finit par les larmes. [2.415 #5531]
Le mariage commence par une danse de joie et finit dans les larmes. [2.415 #1215]
Fanazavana frantsayBien commencer et mal finir. [2.415 #5531]
Sens général : heureux commencement, mauvaise fin. [2.415 #1215]

Ohabolana 2Sikidy soa tsy andihizana, sikidy ratsy tsy itomaniana. [2.558 #3885]
Sikidy soa tsy andihizana; sikidy ratsy tsy taniana. [2.165 #38, 2.415 #140, 2.653 #2889]
Sikidy soa tsy dihizina, sikidy ratsy tsy taniana. [2.415 #140]
Dikanteny frantsayIl n' y a pas à danser quand le sikidy est bon, ni à pleurer quand il est mauvais. [2.415 #140]
Un oracle favorable ne fait pas danser, comme un oracle défavorable ne fait pas pleurer. [2.165]
Fanazavana frantsayC. à. d. on fait peu de cas des oracles. [2.165]
Il n'y a qu' à s'incliner devant sa réponse ; ce proverbe était dit aussi par ceux qui faisaient peu de cas des oracles. [2.415 #140]

Fizahan-teny