|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : mikoraraika

Ohabolana 1Aza akoholahy manompo, ka na mahaloa-peo aza mikoraraika. [2.558 #365]

Ohabolana 2Kibo mikoraika : tompony mahalala. [1.147 #K16]
Kibo mikoraraika : hianao tompony no mahalala azy tsara. [2.558 #110]
Kibo mikoraraika, ka ny tompony ihany no mahalala. [2.165 #2269]
Kibo mikoraraika, ka ny tompony no mahalala azy. [2.415 #3255]
Kibo mikoraraika : ny tompony no mahalala. [2.653 #1262, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa raha misy zavatra mahazo ny tena, dia ny tena ihany no mahalala azy; ianao tompony ihany no afaka handinika ny aminy. [1.1]
Dikanteny frantsaySi le ventre fait du bruit, c' est à son maître à le savoir. [2.165]
Si le ventre fait du bruit, c' est au maître à le savoir. [2.415 #3255]
Fanazavana frantsayChacun connaît ses propres affaires et les arrange à sa façon ; chacun connaît les paroles qu' il a prononcées et les arrange. [2.415 #3255]
Quand un méfait a été commis, c' est le malfaiteur lui-même qui pourrait le mieux renseigner là dessus. [2.165]

Fizahan-teny