Teny iditra | tsara | |||
Sokajin-teny | mpamaritra | |||
Famaritana malagasy | Mahafinaritra jerena: Tsara izany raha trano ¶ Manana toetra maha-izy azy: Fanjaitra tsara ¶ Manana toetra takin' ny raharahany, mahafatra-po: Mpampianatra tsara; renim-pianakaviana tsara ¶ Manana ny toetra ilaina ara-pitondran-tena; tsy misy hokianina: Olona tsara Rakoto ¶ Vita tomombana ka mahatonga higàga; kanto: Tsara izay lahateny nataon-dRakoto izay! ¶ Soa, mahasoa: Tsara ny hevitra nomeny ahy ¶ Mahomby, mahasoa, misy vokany: Fanafody tsara; famaizana tsara ¶ Mety: Tsara ny mangina raha misy miteny [Rajemisa 1985] | |||
Famaritana anglisy | good; well [Hallanger 1973] | |||
Famaritana frantsay | bon, bien [Hallanger 1974] | |||
Famaritana rosiana | хороший [Kôrneev 1966] | |||
Sampanteny |
| |||
Teny mifanohi-kevitra | ratsy | |||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| |||
Ohatra | Dia nivady nifanara-draharaha tsara Andrianarisaina sy Rafotsiarifanahy, fa nitovy saina. [Rabezandrina: Ikotofetsy] | |||
Teny nalaina | Ohabolana misy io teny tsara io | |||
Haianarantany | ||||
Teny iditra | tsara | |||
Sokajin-teny | anarana | |||
Famaritana malagasy | Fanaovana izay hahafantarana ny marina, ny rariny; famakafakana sy fandanjalanjana atao mba hanavahana ny marina sy ny dise, ny tsara sy ny ratsy; fanapahana, fanelanelanana amin' ny olona miady. [Rajemisa 1985] | |||
Teny iditra | tsara | |||
Sokajin-teny | anarana | |||
Famaritana malagasy | [Bara] teny, resaka [Rakotosaona 1972] | |||
Sampanteny |
| |||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| |||
Mpanahaka | fototsara ~ marotsara | |||
2017/07/02 |
![]() |