|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : misiaka

Ohabolana 1Kitoatoa vary amin’ anana: ao ny sendra hena, fa ny sendra sakay dia mirehoka. [2.415 #2710, 2.653 #1272, 2.165]
Kitoatoa vary amin’ anana: ao ny sendra hena, fa ny sendra sakay dia misioka. [2.653 #1272]
Kitoatoa vary amin' anana : ao ny sendra hena, fa ny sendra sakay misiaka. [2.415 #2710]
Kitoatoa vary amin' anana : ao ny sendra hena, fa ny tojo sakay dia mirehoka. [2.558 #1655]
Dikanteny frantsayOn pique dans un plat de riz et de légumes: l' un attrapera peut-être de la viande, mais celui qui tombera sur du piment se mettra à cracher. [2.165]
Quand on mange à la fortune du pot, du riz avec des herbes, il y en a qui trouvent de la viande, mais ceux qui trouvent du piment sifflent de dépit. [2.415 #2710]
Fanazavana frantsayLa fortune ne favorise pas tout le monde. [2.415 #2710]

Ohabolana 2Tanalahy ambony hazo ny vintana : miova vola matoa misy zaza misiaka. [2.974 #486]
Dikanteny frantsayLa fortune est comme un caméléon sur un arbre : il suffit d’un enfant qui siffle pour la faire changer de couleur. [2.974 #486]

Fizahan-teny