Fizahan-teny

Ohabolana : mpikarama

Ohabolana 1Moa raha fisa-doha, dia ho mpikarama ; raha fisa-molotra, dia ho mpikabary ; raha mitafy soa, dia mpiharaka? [2.415 #1668, 2.653 #1932]
Moa raha fisa-doha dia mpikarama ary raha fisa-molotra dia mpikabary? [2.558]
Dikanteny frantsayEst-on ouvrier à gages, parce qu' on a la tête plate ; orateur, parce qu' on a les lèvres minces ; escroc ou exacteur, parce qu' on est vêtu délicatement? [2.415 #1668]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas se fier aux apparences. [2.415 #1668]

Ohabolana 2Mpikarama milanja rofia: manenjan-tsandry amy ny an’ olona. [2.653 #1985]
Mpikarama milanja rofia : manenjan-tsandry amin' ny an' olona. [2.415 #3861, 2.558 #2620, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona misasatra amin' ny zavatr' olona izay tsy mba ahitany soa akory. [1.1]
Dikanteny frantsayHomme à gages qui porte du raphia : c' est pour le bien d' autrui qu' il raidit son bras. [2.415 #3861]
Fanazavana frantsayPeiner pour les autres. [2.415 #3861]

Fizahan-teny