Fizahan-teny

Ohabolana : traingo

Ohabolana 1Mpitery mahita ny tohany, ary mpandrohy mahita ny traingony. [2.165 #2290, 2.558 #2626]

Ohabolana 2Toy ny rambon' omby, ka na hipelika aiza, na hipelika aiza, mbola ao an-traingovazana ihany. [2.165]
Toy ny rambon' omby, ka na hipelika aiza, na hipelika aiza, tsy miala, fa eo amin' ny traingo vazany ihany no farany. [2.415 #1136]
Toy ny rambon’ omby: na hipelika aiza, tsy hiala, fa ho an-traingovazana ihany no farany. [2.653]
Toy ny rambon' omby : na hipelika atsy na hipelika aroa, dia tsy aiza tsy akory fa eo an-traingovazana ihany. [2.558 #4343]
Dikanteny frantsayC' est comme la queue du boeuf : elle a beau se balancer çà et là, elle ne s' en va pas et s' arrête au jarret. [2.415]
Comme la queue d' un bœuf: qu' elle s' agite à droite ou à gauche, elle retombe toujours sur ses jarrets. [2.165]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait aux parents qui voulaient se tenir à l'écart. [2.415 #1136]

Fizahan-teny