Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 25 Takila 27 ->

[ny miakandrefam-] baravarana rehetra izany. » Izany ary ny amin'ny tantaran’ny olombelona voalohany araky ny finoan’ny Bara.

Toko IV : Ny finoany ny amin’ny fanavotana

Tsy maintsy tsarovana fa ny tenin’ny Bara hoe : « Tiva » na « tahy havoa » no adika eto hoe : « ota » izay mbola ho lazaina manaraka, dia izay rehetra mahatonga aretina sy fahoriana mbanin’ny fanaintainana maro samihafa. Koa izay mahafaka amin'izany no ataon’ny Bara hoe : « avotra » ka raha lazaina eto ny momban’ny fanavotana dia tsy ny fanavotana lazain’ny baiboly no heviny aminy, fa namanaman’ny ody sy ny fivavahana momba izany. Ny tontalibeny dia izay hanafaka ny nofo amin'ny fahoriana sy ny fahasahiranana, toy ny aretina. 

1- Ny fanavotana noho ny ota tsy nahy

Raha misy olona marary dia heveriny [fa nisy zavatra nahadiso azy]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany