|
|
|
|

Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 3 Takila 5 ->

[soa aman-tsara] ho eny am-pita raha tsy nanao izany izy. Miseho amin'izany koa ny finoany ny fisian’Andriamanitra Ilay tsy mba misakaiza amin'ny ratsy fanahy, nefa tsy mamono ny marina tsy miaraka amin'ny ratsy.

c- Amin'ny fifanaovam-pati-dra Fifanekena ataon’olona roa na maro hihavana sy hifanavo-drekitra no atao hoe : « fati-dra ». Raharaha sarotra io, fa ny tsy nifankahazo am-po teo aloha no hatao ho fo iray. Ny samy hafa razana no hatao tena iray. Koa dia antsoina Andriamanitra, izay mahita ny miafina sy mahalala ny takona. Na ny am-po tsy miloaka aza, hanatrika io raharaha io ka izay mivadika ny fanekena dia hamonoan’Andriamanitra fito ny havany ary ho maty koa ny tenany izay mivadika rahateo. Izany fanao izany no ahitana ny finoany ny fisian’Ilay Andriamanitra te-hampihavana ny olona rehetra, na jiosy na grika, ka mamaly izay mandrava izany fanekena izany. 

d- Amin'ny fiteny an-davan’andro

Izay mikasa hanao zavatra, nefa tsy tanteraka fa azon-tsampona, dia manao ilay [ohabolana hoe :]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany