|
|
|
|

Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 41 Takila 43 ->

 

4- Ny Anton' ny anaovana sorona

Maro samihafa ny mahatarika ny Bara hanao fanatitra toy ny afaka tamin’ny loza : narary mafy nefa sitrana - saiky maty tany an’ady nefa nandresy ihany - notairim-baratra nefa tsy maty - saiky nosamborim-boay nefa tsy azony - etc - dia samy mitarika azy hanao fanatitra hisaorana an’Andriamanitra izay niaro azy tamin’ireo loza ireo. Ny nahazo zava-tsoa tsy nampoizina toy efa noheverina : tsy hanan-janaka intsony, kanjo nanana - ny very efa tsy hita ela nefa hita tampoka - ny nahazo omby maro tsy nampoizina velively - nahavoka-bary - ireo dia isan’izay mitarika azy hanatitra ho an’Andriamanitra.

Ny nahazo izay zavatra niriany kosa toy ny hoe : « Raha mba ho toy izao sy izao aho dia manome omby Anao Ndriananahary » (sareke, no atao anaran’io) koa raha tanteraka aminy tokoa


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany