|
|
|
|

Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 46 Takila 48 ->

[fa mana] lin’andro raha ho tononina tsirairay hatramin’ny kely. Indro ny omby ka tahio soa, tahio meva ahay tsy harary, tsy hari-koditra fa mba hiteraka avokoa ireto tsy manana ary ireto efa manana mba samy hahatonga soa ny azy avy. Ny amin'ny omby dia aza miady fa miraisa soa. Ny ainy any Ndriananahary Tompon’ny aina. Ny fofony anareo fahasivy. Ny rany an’ny tany hitoerana mba ho tondrany (handena) azy. Ny sotrohiny an’ny mpandray fanovo (vody henan ’izy mpisorona izany). Ny fony an’ny mpikoka (ilay tovolahy mpanampy ny mpisorona). Ny trafony an’ny hazomanga  ».

Rehefa nahavita ny fisoronana sy ny fizarana azy toy izany ny mpisorona dia mangina kely aloha tokony ho dimy minitra mba hizaran’ireo ny henany hono. Dia manao teny farany amin'izay ny mpisorona hampody azy ireo amin'ny tany misy azy avy hoe : « Ny Zanahary tsy mifanjatse (mihinana) ela


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany