|
|
|
|

Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 58 Takila 60 ->

[hiari] tra sy hanantanteraka izay rehetra momba ny fianarana ao. Koa dia ho raisina izy ireo amin'ny andro izay heveriny ho andro soa.

Raha tonga ilay fotoana dia raisina ireo, ary toy izao no fomba arahina ny amin'ny fandraisana ireo ho mpianatra. Vonoina ny akoholahy mena, ny rany tetitetenan’izy rehetra amin'ny handriny. Ny tànany havanana asiana vakam-potsy mba hahaizany mandray sy manondro ny zavatra hianarana, ka tsy hampaninona azy. Soratana amin'ny hazo fisaka (tokony ho roa metatra ny halavany ary roan-jehy ny sakany) ny zavatra hianarana. Taniravo sy tanimena ary arina no anoratana azy eo. « Fafa » no ataony anaran’io hazo io. Ny nampianatra hatramin’izao dia atao hoe : Raevola, ary ny mpianatra atao hoe : Mpianatsasy.

Tsy maintsy manokana ny tenany


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany