|
|
|
|

Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 5 Takila 7 ->

[fanaon’ny vavy] antitra amin'ny zafikeliny dia mikasika ny amin'Andriamanitra ka mampiseho ny finoany ny fisian’Andriamanitra. Ny sasany milaza ny nanaovan’Andriamanitra ny olona voalohany sy ny nifampiraharahany taminy ary ny nahatonga ny fahafatesana tamin’ny olombelona ka manjaka mandraka ankehitriny (ho lazaina amin'ny toko III manaraka izany). Tena mahafinaritra aza ny sasany ka mila hitovy amin'ny voalazan’ny genesisy. Ary manamarina fa iray fototra ihany ny olona.

Izany rehetra izany dia mampiseho, fa manana tanam-pahazana kely ahitany ny Bara fa misy tokoa Andriamanitra, nefa ny aizina manarona ny tany ary ny aizim-pito manarona ny firenena ka dia tsy mahita Azy tanteraka izy.

2- Ny fomban’Andriamanitra araky ny finoany azy

a- Tsara

Ny fahatsarana rehetra na [amin'ny tarehy,]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany