|
|
|
|

Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 62 Takila 64 ->

 

3- Ny fandefana ny vita fianarana

Alohan’ny handefana azy dia manao fanadinana kely ny Raevola mba hahitany ny fahaizany avy. Indroa miatoana ny fanadinana, ny voalohany dia atao indray andro alohan’ny handefana azy ; ny faharoa amin'ilay andro handefana azy iny indrindra. Ny voalohany dia toy izao : Mody very zavatra ilay vadin’ny Raevola ka mitabataba sy mikaroka mafy azy ka rehefa tsy hitany dia alainy tsirairay ireo mpianatsasy ireo haminany izay misy io zavatra io. Tandremana tsara tsy hifanala-tahaka izy ka izay efa nolazain’ny teo aloha ihany no hiarahan’izy rehetra, fa atao tsy fantatry ny vao hilaza izay efa nolazain’ny teo aloha.

Rehefa tonga ilay fotoana dia samy faly avokoa izy rehetra fa hisaraka soa tsy nisy azon-tsampona. Koa dia mihaingo tsara izy rehetra amin'io a [ndro io]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany