|
|
|
|

Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 67 Takila 69 ->

 eny ka na oviana na oviana no misy izay ilany azy, dia alainy faingana ireo.
(2) Tohiresy : Fakan-kazo maro samihafa tohizina ireo, ka iambozonana. Ny sasany toy ny rantsan-tànana. Ny sasany toy ny laton-tsandry. Raha misy ilainy azy dia asaina amin'ny vato izy ka lelafina sy atao eo amin’ny andrina, lamosina, hatoka, etc.… Ary kikisana amin'ny vilia koa, ka androana sy isotroana.
(3) Ny vo : Kikisana ny ody amin'ilay torihesy ka asiana menaka, fonosina amin'ny lambarano dia iambohozona. Itokisana ho mpiaro amin'ny lozamanjo tampoka izy io.
(4) Ny mohara : Dorana ny ravim-panafody maitso ary kikisana ilay tohiresy ka atao ao anatin’ny tandroka, dia idinana menaka ao. Io no atao hoe : ody mohara. Haingovana ny manodidina io tandroka io ka miretirety mampatahotra ny vakana ataony haingony. Izy rehetra ireo amin'ny fanaovany azy, dia samy embo [hany]
I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany