|
|
|
|

Teny iditra alina
Sokajin-teny mpamaritra
 Arivo folo na arivo impolo; raha atao tarehimarika, dia 10.000: Dimy arivo sy telo alina ariary no vidin' itỳ tany itỳ. [1.1]
 Ten thousand. [Mal. laska(?); sanscrit lasha.] [1.2]
 Ten thousand [1.7]
 Dix mille [1.8]
  10000 ~ 10 000 ~ 10.000 ~ 10,000 [3.1]
Voambolana 
Ohatra sy boriky arivo amby enina alina, [2.996]
Tsanganana sy sary iray takila Ny isa
Lahatsoratra 

Teny iditra alina
Sokajin-teny anarana
 Fotoana tsy anazavan' ny masoandro ny tany, izany hoe hatramin' ny ilentehan' ny masoandro ka hatramin' ny iposahany indray ka itankizinan' ny tany ao anatin' ny haizina: Tonga ny alina: indreny mimpendrampendrana ny kintana eny amin' ny lanitra
Haizina: Ao anatin' ny alin' ny tsy fahalalana [1.1]
 Night, darkness, pertaining to the night. [Mal. ma'lam, mysol malch, night.] [1.2]
 Night [1.7]
 Nuit [1.8]
Ohatra 
1aza manan'eritreritra hianao
hozaraiko ny andro sy ny alina
ka ny alina azy
ny antoandro anao
[2.131]
2Indray alina dia nanonofy Razaimalala. [2.324]
Mpanahaka  ankaly ~ lahaly
Lahatsoratra 

Teny iditra alina
Sokajin-teny mpamaritra
 Lany andro, very fotoana, tratra aoriana: Alina foana eo ianao raha hiandry azy [1.1]
 Qui est en retard, surpris par la nuit; qui se fatigue en vain: Alina foana eo hianao (Vous n'en viendrez pas à bout) [1.3]

Teny iditra alina
Sokajin-teny anarana
  [Provincial] Provincial for adina [1.2]

Nohavaozina tamin' ny 2023/07/19